Daewoo dia vondrona indostrialy koreanina tatsimo noforonin'i Kim Woo-chong. Ireo vala ahitana an'i Daewoo dia ny fanamboarana sambo, ny trano, ny fitaovam-piadiana, ny fitaovan-tokatrano mampiasa aratra, ny haikoriam-boanaratra ary ny fiarakodia.

Nalevon'ny governemanta koreanina tatsimo ilay vondrona tamin'ny 1999, mbola misy ihany ny zanak'orinasa fa samy mifankaleo tena izy ireo.

Ilay vondrona talohan'ny taona 1999 hanova

Ireo ny fizaràn'ny vondrona talohan'ny nandevonana azy tamin'ny krizy aziatika :

  • Daewoo Heavy Industries (DHI) : mpamorona milina ho an'ny indostria vaventy, izay ahitana fitaovam-pitaterana
  • Daewoo Shipbuilding & Marine Engineering : mpanamboatra kaontenera, kargo, mpitondra solika ary fiaramanidina. Nahaleotena tamin'ny taona 2000 ilay orinasa.
  • Daewoo Corporation : izay nahitana an'i Daewoo Construction izay mpanamboatra lalana, trano isan-karazany, indrindra indrindra tany Afovoany Atsinanana ary tany Afrika. Voazara ho orinasa telo samihafa ity orinasa ity.
  • Daewoo Electronics : fitaovana mampiasa aratra rehetra ary haikoriam-boanaratra, izay ahitana solosaina ary mpanorina, miaraka amin'ny zanak'orinasa Daewoo Electronic Components Co., Daewoo Electric Motor Industries Ltd. ary Orion Electric Co. Ltd.
  • Daewoo Telecom Ltd. : fifandraisan-davitra rehetra.
  • Daewoo Precision Industries : mpanao basy ary fiarakodia. Natsangana tamin'ny 2002 ary niova anarana ho S&T Daewoo Co. tamin'ny 2006.
  • Daewoo Textile Co. Ltd.
  • Daewoo Securities : fiantohana.
  • Daewoo International : varotra iraisam-pirenena.
  • Daewoo Development Co. Ltd. : fitantanana ny hotelin'i Daewoo, izay nanana ny franchise ny hotely Hilton tany Korea Atsimo.
  • IAE (Institute for Advanced Engineering) : ivon-toerana fanaovnaa fikarohana.
  • Daewoo Motor : mpanao fiara fitateran'entana. Ahitana an'i Daewoo Automotive Components Co. Ltd., Daewoo Bus Co. Ltd., Daewoo Commercial Vehicle Co. Ltd.
  • Daewoo Motor Sales : nivarotra ny fiaran'i Daewoo ary ny fiaran'i General Motors, izay ahitana zanak'orinasa Architectural Iaan Div. ary SAA-Seoul Auto Auction.

Taorian'ny krizy aziatika hanova


 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.