Ny dônatisma dia foto-pampianarana kristiana notsarain' ny Fiangonana, efa taty aoriana, ho mpisara-bazana, avy eo mpampianatra finoan-diso, foto-pampianarana nipoitra tao amin' ny diôsezin' i Afrika rômana tamin' ny taonjato faha-4 sy faha-5. Avy amin' ny anaran' ilay eveka berbera Dônatio Lehibe (Donatus Magnus), evekan' i Casae Nigrae (i Negrine ankehitriny ao Alzeria) tany Nomidia ny anarany. Ny tena fototry ny tsy fitovian-kevitra teo amin' ny Dônatista sy ny Fiangonana dia ny fandavana ny maha manan-kery ny sakramenta nataon' ny eveka tsy naharitra nandritra ny fanenjehan' i Diôkletiano (taina 303-305). Io fihevarana io dia nomelohina tao amin' ny Kônsily natao tao Rôma tamin’ ny taona 313.