Boky fahatelon' ny Makabeo

Ny Boky fahatelon' ny Makabeo dia boky ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika atao hoe Septoaginta na Septanta. Manakilasy an' io boky io ho isan' ny boky apôkrifa ny Katôlika ary ny Prôtestanta manasokajy azy ho pseodepigrafa. Hita ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa ny Boky fahatelon' ny Makabeo.

Fanoratana hanova

Nosoratana tamin' ny fiteny grika tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. io boky io ary mitantara ny zava-nitranga tamin' ny taonjato fahatelo tao Jerosalema sy tao Aleksandria.

Votoatiny hanova

I Ptôlemaiôsy IV Filôpatôra, rehefa avy nandresy tao Rafia ao Jodea (na Jodia), dia nanao izay hidirany tao amin' ny Tempoly tao Jerosalema na dia nanohitra izany ny Jiosy tao. Noho ny vavaka nataon' i Simôna mpisoron-dehibe dia niditra an-tsehatra Andriamanitra ka namely an' i Filôpatôra, izay nanafoana ny fikasany ka nody tany Aleksandria. Noho ny hatezerany dia maro ny lalàna noforoniny hamelezany ny Jiosy tao Ejipta sy an' ireo natao sesitany tany Aleksandria. Taorian' ny fanandramana handripaka ny Jiosy sy ny fiarovan' Andriamanitra ny Jiosy dia tsy nieritreritra intsony ny hanatanteraka ny fikasany izy.

Jereo koa: hanova