Ny Bokin' ny Jeo dia lahatsoratra gnôstika roa. Na dia asa samy mahaleo tena aza izy roa ireo dia samy hita amin' ny teny kôpta sahidika, ao amin' ny Codex Brucianus, ny Boky voalohan' i Jeo sy ny Boky faharoan' i Jeo. Izy ireo dia fitambarana filazantsara (na evanjely) sy fanambarana esôterika; ny asasoratra dia milaza fa mirakitra an-tsoratra ny resadresaka nifanaovan' i Jesoa na Jesosy tamin' ny apôstôly lahy sy ny mpianany vavy, ary ny fahalalana miafina (gnosis) naharihary nandritra ireo resaka ireo.

Pejy ao amin' ny Boky voalohan' i Jeo