Ny bingona dia zavamaneno tsofina ampiasaina amin' ny fampandrenesana tsotra, anisan' ny zavamaneno "varahina" tsotra indrindra satria sady tsy misy valva no tsy misy fantsona akorisa ho enti-manova ny hahavon' ny feony, koa noho izany dia voafetra amin' ny maripeo voajanahary ao aminy ny feo azony avoaka, ary ny haavon' ny feo dia ovaovaina amin' ny alalan' ny fanovana ny tsindrin' ny rivotra sy ny fomba fitsofana azy.

Bingona
Bingona

Ny fandaminam-peony manaraka ny B (na Si) sy ny vatany miendrika kitsoloha somary be savaivo ary ny feony malefaka dia mampiavaka azy amin' ny trompetran' ny mpitaingin-tsoavaly izay mamoaka feo maranitra sy mazava kokoana, izay matetika afangaron' ny olona aminy. Ny bingona tany am-boalohany dia fitaovana fampmitana baiko miaramila amin' ny alalan' ny feo mora fantatra.

Jereo koa

hanova