Benyamin Ben-Eliezer

I Benyamin Fuad Ben-Eliezer dia mpanao pôlitika sy jeneraly israeliana. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoeبنيامين بن إليعازر , amin' ny teny hebreo: בנימין פואד בן אליעזר. Teraka tamin' ny 12 Febroary 1936 tao Basra any Iràka izy ary was Fuad Elazar no anarany tamin' izay, maty tamin' ny 28 Aogositra 2016 teo amin' ny faha-80 taonany tao Rishon Letsion any Israely.

Benyamin Fuad Ben-Eliezer

Mpikambana ao amin' ny Knesset izy teo anelanelan' ny taona 1984 sy 2014, ary nitana ny toerana minisitra maromaro, anisan' izany ny minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa; minisitry ny Fiarovana; ary praiminisitra lefitra. Mpitarika ny Antokon' ny Mpiasa Israeliana izy teo anelanelan' ny taona 2001 sy 2002. Izy no Jiosy voalohany manam-piaviana irakiana nitarika ny Antokon' ny Mpiasa (מִפְלֶגֶת הָעֲבוֹדָה הַיִּשְׂרְאֵלִית / Mifleget HaAvoda HaYisraelit). Izy no minisitra israeliana voalohany nihaona tamin' i Yasser Arafat tamin' ny taona 1994.