I Beersheba na Beersheva dia tanàna manan-tantara ao amin' ny distrika any amin' ny any atsimon' i Israely. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe בְּאֶר שֶׁבַע / Beer Sheba’a "lava-dranon' ny fianianana" na "fantsakan' ny fito", fa amin' ny teny arabo kosa dia بِئْر اَلسَّبْع / Biˀr as-Sabˁ. Ankehitriny dia izao koa no mety hanoratana ny anaran' io tanàna io: Beer-Sheva, Beersheba, Be’er Scheva, Beerseva sns. Ao amin' ny Baiboly malagasy izy dia atao hoe Beri-sheba sy Bersabea.

Beerhseba
Toeram-pikarohana arkeôlôjika ao Tel Be'er Sheva, jerena mianatsimo.

Efa tamin' ny taonarivo fahefatra tal JK. no nonenan' ny olona ny toerana akaikin' i Beerhseba ankehitriny. Ao amin' ny Baiboly, i Beersheba dia manamarika ny sisin-tany atsimon' i Israely fahiny, araka ny voalaza ao amin' ilay andian-teny hoe "hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba" (Mpitsara 20:1; 1Samoela 3:20; 2Samoela 3:10; 1Mpanjaka 4:25; 2Tantara 30:5, ohatra). Voatendry ho an' ny fokon' i Jodà i Beersheba tamin' ny voalohany, ary voatendry ho an' i Simeôna tatỳ aoriana. Nandritra ny vanim-potoana faha Mpanjaka dia tanànan' ny mpanjaka i Beersheba, nefa noraban' ny Asiriana tamin' ny farany. I Tel Be’er Sheva no toerana nisy an' i Beersheba resahin' ny Baiboly, 4 km eo ho eo miala an' ilay tanàna ankehitriny, izay naorin' ny Ôtômana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20.

Nitombo be ilay tanàna nanomboka tamin' ny nananganana ny Fanjakan' i Israely tamin' ny volana Mey 1948. Ankehitriny, ny ampahany be amin' ilay tanàna dia onenan' ny Jiosy nifindra monina avy any amin' ny firenena arabo, avy any Etiôpia ary avy any amin' ny Firaisana Sôvietika teo aloha. Voahodidin' ny tanàna madinika i Beersheba: i Omera sy i Lehavim ary i Meitar, izay tanàna onenana Jiosy ny ampahany be, ary i Rahat, i Tel Sheva ary i Lakiya, izay onenan' ny Arabo ny ampahany be.

I Beersheba no foibem-pitantanan' i Israely atsimo. Noho ny toerany ara-jeôgrafia eo afovoany sy noho ny fiantsonan-damasinina sy fiara, dia sehatra manan-danja amin' ny fitaterana an-tanàn-dehibe ao amin' io firenena io ihany koa izy. Io tanàna io no iorenan' ny Oniversite Ben-Gurion ao Negev sy ny hôpitaly Soroka ary ny ôrkesitra Israeli Sinfonietta of Be'er Sheva.

Tamin' ny taona 2022 i Beersheba dia nisy mponina 211 393, ka izany no maha tanàna lehibe indrindra azy any Negev ary tanàna fahasivy lehibe indrindra any Israely.