I Bôsnia dia faritra ara-tantara sy ara-jeôgrafia ahitana ny tapany avaratra amin' ny fanjakan' i Bôsnia-Herzegôvina amin' izao fotoana izao sy ara-jeografika. Ao amin' ny faritra Alpa Dinarika no misy azy, mankany amin' ny sisin-tany atsimon' ny lemaka Panônia, ny renirano Save sy Drina izay manamarika ny sisin-taniny avaratra sy atsinanana. Amin' ny teny bôsniana sy serbiana ary krôatiana izy dia atao hoe Bosna/Босна.

Ny sisin-tany eo anelanelan' i Bôsnia (faritra mazava) sy Herzegôvina (faritra matroka).

Ny velaran' i Bôsnia dia 41 000 km² eo ho eo, na eo amin' ny 80 %n' ny tanin' ny fanjakan' i Bôsnia-Herzegôvina ankehitriny. Amin' ny fomba ôfisialy dia tsy misy sisin-tany ara-pôlitika na ara-jeôgrafia ao amin' ny tapany atsimo amin' i Herzegôvina, na dia iadian-kevitra tsy tapaka aza ilay lohahevitra.

Namorona fikambanana ara-jeôpôlitika iraisana ireo faritra roa ireo nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany, ary matetika no piasaina amin' ny fomba diso ny teny hoe "Bôsnia" mba hanondrana ilay fanjakana manontolo (Bôsnia-Herzegôvina), ary toy izany koa ny faritr' i Herzegôvina.