I Arusha dia tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i Tanzania sady renivohitry ny Faritr'i Arusha. Tamin'ny taona 2012 izy dia nisy mponina miisa 416 442; Amin'izao izany dia mety any amin'ny 500 000. Akaiky ny tendrombohitra Kilimandjaro no misy an'i Arusha.

Ny tanànan'i Arusha mitazana ny tendrombohitra Meru.

Niorim-ponenana tao amin'io tanàna io ny Maasay tamin'ny taona 1830. Tamin'ny taona 1896 dia lasan'ny Alemàna ny tanàna, fa tamin'ny taona 1916 kosa dia ny Britanika no nifehy azy.

Sady ivo amin'ny raharaham-manjakana sy ny reivohitra ara-taozava-baventy ao amin'ny faritra mpamokatra kafe sy landihazo sy piretra (frantsay: pyréthre) ary taretra i Arusha.

Ao Arusha no mifarana ny lalam-by izay mampitohy an'io tanàna io amin'ireo seranan-tsambo ao amin'ny Ranomasimbe Indiana: Tanga ao Tanzania sy Mombasa ao Kenia.

Ahafahana mahazo fiaramaniodina mitondra mankany amin'ireo valan-javaboary lehibe sy any Zanzibara ary amin'ny tanàna hafa ao Tanzania ny seranam-piaramanidin'i Arusha. Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena akaiky indrindfra dia ny seranam-piaramanidin'i Kilimandjaro izay 50 km miala an'i Arusha.

Maro ireo valan-javaboary akaiky an'i Arusha, isan'izany ny valan-javaboarim-pirenen'i Serengeti sy ny an'i Tarangire. Akaiky azy koa ny volokano Ngorongoro sy ny tendrombohitra Kilimandjaro sy Meru.

Jereo koa hanova