Ao amin' ny Eglizy Katôlika, ny arsidiôsezy dia diôsezy izay sahanin' ny arseveka. Ny fonenan' ny arseveka dia antsoina hoe "arsevese". Ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa sy ny Eglizy Katôlika manaraka fombam-pivavahana tatsinanana (Eglizy Apôstôlika Armeniana, Fiangonana Kôpta, sns.), dia ny teny hoe arkeparkia no ampiasaina.

Ny rafi-pitantanan' ny arsidiôsezy iray, anisan' izany ny fizaràna fari-tany ho paroasy, dia mitovy amin' ny an' ny diôsezy. Ny ankabeazan' ny arsidiôsezy dia manana anjara toerana mtrôpôlitana, mampivondrona vondrona diôsezy ao amin' ny faritanim-piangonana: ny diôsezy dia antsoina hoe mpifisy ao amin' ny arsidiôsezy. Misy sampan-draharaha manan-danja kokoa (toy ny fitsarana ambony ara-piangonana, ohatra) no alamina eo amin' ny ambaratongan' ny arsidiôsezy.

Ao amin’ ny Eglizy Katôlika dia manana sata manokana ny diôsezin' i Rôma, izay ny apôstôly Masindahy Piera no eveka voalohany. Amin' ny maha mpandimby an' i Masindahy Petera azy, ilay voafidy ho evekan' i Rôma dia lasa mpitandrina ny Eglizy Katôlika maneran-tany, izany hoe izy no Papa.

Tamin' ny taona 2014, ao amin' ny Eglizy Katôlika dia misy arsidiôsezy lehibe 4, arsidiôsezy metrôpôlitana 551 ary arsidiôsezy tsy metrôpôlitana 77.

Jereo koa hanova