Aretin' ny torimaso

Ny aretin’ ny torimaso na tripanôzômiazy afrikana dia endriky ny aretia tripanôzômiazy, aretina vokatry ny kantsentsitra tripanôzôma, izay mifindra amin' ny alalan' ny kaikitry ny lalitra tsetse ary mihatra amin' ny biby sy ny olona. Ny zana-karazana roa ao amin' ny tripanôzôma (Trypanosoma brucei) dia miteraka aretina samihafa amin' ny olombelona: Trypanosoma brucei ssp. gambiense (ao Afrika Andrefana) sy Trypanosoma brucei ssp. rhodensiense (ao Afrika Atsinanana).

Trypanosoma brucei ao amin' ny ran' ny olona voan' ny aretin ny torimaso
Lalitra tsetse

Ny aretin’ ny torimaso dia tsy fahita firy afa-tsy any amin' ny faritr’ i Afrika atsimon' i Sahara, mahafaoka firenena miisa 36 eo ho eo, ary mandrahona olona miisa 60 tapitrisa any ho any. Tombanana ho olona 50 000 hatramin' ny 70 000 no voan' ilay aretina isan-taona amin' izao fotoana izao, ary mihena kely ny isan' izy ireo tato anatin' ny taona vitsivitsy.

Valan' aretina telo lehibe no nitranga tao anatin’ ny zato taona lasa, ny iray tamin’ ny teo anelanelan’ ny taona 1896c  sy 1906 (izay heverina fa nahafaty olona iray tapitrisa eo ho eo tao amin’ ny Sahan-dranon' ny ony Congo) ary ny roa hafa tamin’ ny taona 1920 sy 1970. Ny  tripanôzômiazin’ ny biby fiompy dia antsoina hoe nagana amin’ny teny zolo.