Anu (andriamanitra)
I Anu na Anum dia andriamanitry ny lanitra sy ny zavamaniry ary ny orana ao amin' ny fivavahana sy fedrà mesôpôtamiana; izy no rain' ny andriamanitra. Mitoetra ao amin' ny fanjakana any an-danitra izy; voalaza fa manana fahefana hitsara ny mpanao heloka bevava rehetra izy. Izy no rain' i Enlil sy Enki. Izy àry no razambe sy loharano ary mpiantoka ny fahefana.
Na dia noheverina ho tompon' ny andriamanitra izy tamin' ny voalohany, dia nosoloin' i Enlil tsikelikely, avy eo i Marduk, mandra-pahatongany ho toy ny fanoharana hanondroana ny lanitra. Matetika io fanetrena azy io dia vokatry ny fihen-danjan' ny tanànan' i Uruk, izay misy ny toeram-pivavahana aminy lehibe indrindra. Tena mahalana ny fanehoana azy amin' ny zavakanto, ny anaran-toetrany dia mbola manjavozavo; ny satro-boninahitra tiara dia mety maneho azy ara-panoharana.