Andrianerinerina, araka ny fedràm-piaviana[1] ao amin' ny foko merina ao afovoan-tany eto Madagasikara, dia mpanjaka voalohany tao Imerina. Lazain' ny fedrà fa fahatongavan-ko nofon' ny zanak' i Zanahary izy sady razamben' ny mpanjaka merina[2].

Araka ny fedrà ihany, dia nidina tety an-tany tamin' ny toerana atao hoe Anerinerina (ao avaratr' Angavokely) ny zanak' i Zanahary mba hilalao miaraka amin' ny Vazimba izay mponina voalohany teto Madagasikara. Ny anaran' io toerana io no niavian' ny anaran' ilay mpanjaka. Nampitandremin' i Zanahary ny Vazimba mba tsy hahandro ny ondrin' Andrianerinerina izay tsy mahazo mihinana izany. Namonoana iray anefa ny ondriny ka nahandroina miaraka amin' anana ary nomena azy. Tsy nahalala na inona na inona teo am-pihinana ny amin' ilay ondry fady Andrianerinerina ka tsy afaka niverina any an-danitra any amin-drainy intsony. Noho izany dia nomen' i Zanahary safidy ny Vazimba: na hovahana ny tadim-piainan' izy ireo na hekeny ho andriana sy tompo Andrianerinerina. Nekena ny hanompo an' Andrianerinerina mba tsy ho vonoin' i Zanahary ny Vazimba. Nalefan' i Zanahary ny iray amin' ny zanany vavy, dia Andriamanitra, ho vadin' Andrianerinerina, ka dia nanomboka teo ny taranak' andriana[3].

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Callet, F. (1908). Tantara ny andriana eto Madagascar. Antananarivo: Académie malgache.
  2. "The Merina (or Hova) Dynasty" Royal Ark.
  3. Ottino, P. (1983). "Ancient Malagasy Dynastic Succession: The Merina Example". History in Africa, 10, pp. 247–292.