Andriandranandobe dia mpajaka merina niaina tamin' ny taonjato faha-16, razambe nipoiran' ny terak' Andriandranando, atao koa hoe Andriandranando na Zanadranando. Avy amin' ny faritry ny ala atsinanana izy no niakatra taty Imerina ankehitrio izy mba hitady zara-tany hanjakana. Zanaky ny mpanjaka Andriamamilazabe sy Andrianetohento izy. Tsy nataon-dRalambo ho isan' ny folovohitra ny taranak' Andriandranandobe fa notazominy ho andriana.

Tsy tia ady hanova

Na dia nalaza ho masin' ody aza Andriandranandobe dia tsy mba nila ady na nanosika ireo fanjakan' andriana efa niorona teo Alasora sy Ambohidrabiby fa nanao raharaham-pihavanana tamin' Andriamanelo ka nanoa ity farany no mba nisakaiza tsara tamin-dRabiby izay raibeny niteraka ny rainy, araka ny lovantsofina sasany. Ho marik' io fametraham-pihavanana io dia nomen' Andriamanelo ho vadin' Andriandranandobe i Rasoavimbahoaka anabaviny. Nanana vadikely hafa koa anefa Andriandranandobe.

Tsy nanjaka? hanova

Raha ny lovantsofina dia tsy mba nanjaka Andriandranandobe. Anefa ny porofo arkeolojika dia mandiso izany satria raha ny vohitr' Andriandranando no jerena dia manana ny fepetra rehetra saika hita amin' ny tendrombohitra 12 izy. Ambohibe ohatra dia sady avo no misy farihy masina eo amin' ny tehezany.

Ny zanaka lahin' Andrianandobe hanova

Telo lahy ny zanak' Andriandranandobe dia:

  • Andriantompoinandriana, lahimatoa ao Ambohimailala, eo avaratr' Ambohibe;
  • Andriakomahitsy, lahiaivo, tao Ambohibe izay tendrombohitra avo tokoa ahitana farihy masina fandevenana ny taovan' ireo Zanadranando tamin' izany;
  • Andrianifantsy eo amin' ilay tampotanety atsimon' Ambohibe atao hoe Manankasina-Ambohipotsy akaikin' ny misy ny tanànan' i Père Pedro ankehitrio.