I Andrew John Lees dia mpahay siansa sy mpiaro ny tontolo iainana, teraka tamin' ny 8 Jona 1949 Sandown Nursing Home, Great Yarmouth (any Angletera), ary maty tamin' ny 31 Desambra 1994. Izy no zokiny indrindra amin' ny zanak' i Edward Andrew Lees sy i Beryl Lees vadiny (teraka Whiteley). Nianatra momba ny zôôlôjia sy ny bôtanika ary ny filôzôfia tao amin' ny University of Wales any Cardiff izy ary nahazo diplôma momba izany tamin' ny taona 1977. Niasa tao amin' ny Nature Conservancy Council (NCC) izy avy eo.

Tamin' ny taona 2006 i Lees dia nahazo ny laharana faha-43 tao amin' ny lisitra amin' ny fotoana rehetra tao amin' ny Environment Agency any amin' ny Fanjakana Mitambatra, ho an' ny mpahay siansa, mpikatroka, mpanoratra, mpahay toekarena ary mpahay zavaboary izay nahavita be indrindra amin' ny famonjena ny planeta. Ny fisainana sy ny fomba fiasan' i Lees dia eo anelanelan' ny an' i Dionisio Ribeiro Filholay, Breziliana mpiaro ny tontolo iainana nisy namono, sy ny an' i Mike Hands, manam-pahaizana momba ny tontolo iainana trôpikaly.

I Lees teto Madagasikara

hanova
 
Fanadihadiana nampitondraina ny lohateny hoe Natural Causes, tao amin' ny Channel 4, tamin' ny taona 1996

Tamin' ny taona 1994 no nanombohany nanao fanentanana momba ny ala amorontsiraka eto Madagasikara. Ny QIT-Fer et Titane, orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany an' ny Rio Tinto Zinc (Rio Tinto ankehitriny) dia naniry ny hanala ny ao amin' ilay toeram-pitrandrahana ny diôksidana titanina. Talohan' ny Krismasy tamin' ny taona 1994 dia nandeha nanao horonantsary fanadihadiana teto Madagasikara i Lees.

Tamin' ny alin' ny taom-baovao dia niditra irery tao amin' ny alan' i Petriky (any Tolagnaro) izy mba haka sarimihetsika farany ary tsy niverina intsony. Taorian' ny fikarohana lalina dia hita tao amin' ny faritra kely iray ny fatiny tamin' ny 7 Janoary. Ny fanjavonany amin' ny maha mpiaro ny tontolo iainana britanika malaza azy dia niteraka fahalianan' ny haino aman-jery tany Angletera ary nisy ny eritreritra momba mety ho nisian' ny lalao maloto. Na izany aza, ny fitaovana fakan-tsary dia hita niaraka tamin' ny vatany tsy nisy naninona, ary tamin' ny aotôpsia no nahafantarana fa maty noho ny faharerahana vokatry ny hafanana izy.

Taorian' ny nahafatesany, ny Andrew Lees Trust dia natsangana tamin' ny taona 1995 mba hamolavola sy hampihatra tetikasa fanabeazana ara-tsôsialy sy ara-tontolo iainana. Izany tetikasa izany dia mikendry manokana ny fandraisana anjaran' ny fokonolona ifotony mba hahafahana mampihena ny fahantran' izy ireo sady hiaro ny tontolo iainana. Izy io koa dia manampy ny matihanina malagasy mba handrindra tsara kokoa ny tetikasa eo an-toerana sy eo amin' ny sehatra nasiônaly mba hanomezana lanja ny tontolo iainana tsy manam-paharoan' i Madagasikara.

Tamin' ny fotoana nahafatesany dia nanjary olo-malaza tany Britaina Lehibe i Andrew, tsy teo amin' ny vondron' ny mpandala ny tontolo iainana ihany, fa teo amin' ny besinimaro. Vokatr' izany, ny fahafatesany dia navoaka tao amin' ny gazety malaza rehetra. Tamin' ny taona 1996, ny Channel 4 dia nandefa fanadihadiana iray antsoina hoe Natural Causes, notontosain' ny Open Media, izay nahitana an' i Jonathan Kaplan namotopototra ny fitsidihana farany nataon' i Lees teto Madagasikara.

Nisy fahatsiarovana ho an' i Andrew Lees izay natsangan' ny mponina tao Pant-y-Sais Fen. Izany dia ao amin' ny fiantsonana fiara izay misy ny toerana nanombohan' ny fanariana fako tamin' ny nividian' ny filankevitra ilay toerana. Izy io dia ahitana soratra amin' ny teny galoà manao hoe "Da was, Da a Ffyddlon" (izay midika hoe "Mpanompo tsara, tsara sady mahatoky") ary teny avy aminy manao hoe: "Nisy fotoana tsy maintsy nitsangana aho ka nisaina. Iza no miteny ho an' ny lolo?"

Ny Andrew Lees Trust

hanova

Niorina tamin' ny taona 2005 ny fikambanana mpanao asa soa Andrew Lees Trust mba hanohanana ny tetikasa ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy eto Madagasikara. Ity fikambanana ity dia mamoaka lahatsoratra momba ny tontolo iainana, ary mampanao fifaninanana lahatsoratra isan-taona.