Andreas Bodenstein von Karlstadt

I Andreas Rudolph Bodenstein von Karlstadt dia teôlôjiana prôtestanta alemàna, mpitandrina ny tombokasen' ny Oniversiten' i Wittenberg, niara-niaina tamin' i Martin Lotera sy mpanavao tamin' ny fiandohan' ny Refôrmasiôna. Atao hoe Andreas Karlstadt, Andreas Carlstadt na Karolostadt, ary amin' ny teny latina hoe Carolstadius, na amin' ny anarana hoe Andreas Bodenstein fotsiny koa izy.

Andreas Bodenstein

Lasa mpiara-miasa akaiky tamin' i Martin Lotera i Karlstadt ary anisan' ireo mpanavao fivavahana (na refôrmatora) prôtestanta voalohany indrindra. Taorian' ny nanafenan' i Friedrich III an' i Lotera tao Wartburg (1521-1522) dia nanomboka ny hetsika fandravana sary masina voalohany tao Wittenberg i Karlstadt sy Thomas Müntzer ary nitory teôlôjia heverina ho anabatista, fa i Karlstadt sy Müntzer dia tsy nihevitra ny tenany ho anabatista mihitsy.

I Karlstadt dia niasa ho mpanavao ny fiangonana tamin' ny zony manokana, ary rehefa avy nifanohitra tamin' i Lotera izy dia nanova ny fanoavany avy amin' ny ankolafy loterana ho amin' ny ankolafy nohavaozina, ary taty aoriana dia lasa mpanao fanavaozana mahery vaika alohan' ny hiverenany indray amin' ny nohavaozina. Voalohany dia anisan' ireo mpitoriteny loterana maro tany Wittenberg izy. Nitety faritra maro izy, saingy tao anatin' ny sisin-tanin' ny Empira Rômana Masina ihany, nitsidika firenena miteny alemàna sy miteny frantsay ary miteny italiana. Tamin' ny fiafaran' ny androm-piainany dia niara-niasa tamin' i Heinrich Bullinger tany Soisa izy ary niasa tany Basel (frantsay; Bâle), izay nahafatesany tamin' ny farany. Na dia nanakaiky kokoa ny fiangonana nohavaozina tamin' ny fotoana nahafatesany aza i Karlstadt dia nitazona ny fomba fijeriny manokana momba ny olana ara-teôlôjia maro nandritra ny androm-piainany.