Ampasindava (fitrandrahana)

Ny toeram-pitrandrahana any Ampasindava no toerana mety hisy fitrandrahana tany tsy fahita firy eto Madagasikara. Io toerana io dia ao amin' ny kaomininan' i Mangaoka, Faritra Diana, ao amin' ny tapany avaratr' i Madagasikara, ao atsinanan' ny Saikanosin' Ampasindava. Ny tahiry ao dia mitentina 130 tapitrisa taonina amin' ny akora tany tsy fahita firy 0,08 %. Ny Tantalus Rare Earths Malagasy Sarl no tompon' ny toeram-pitrandrahana. Tamin' ny taona 2019, nanao sonia fifanarahana miaraka amin' ny China Nonferrous Metal Mining Group ny ISR Capital mba hikarakarana ilay toeram-pitrandrahana. Nisy vondrona mpiaro ny tontolo iainana nanohitra ny fampandrosoana ilay toeram-pitrandrahana, nanahy ny mety ho fahasimban' ny fiainan' ny bibidia ao, toy ny gidro Lepilemur mittermeieri izay teratany any amin' io saikinosy io. Tamin' ny Septambra 2020 dia nangataka fahazoan-dàlana feno i Reeenova hanombohana ny fitrandrahana.

Ny fahazoan-dàlana hikaroka voalohany momba ny harena ankibon' ny tany dia azon' ny Calibra Resources and Engineers tamin' ny taona 2003, namidy tamin' ny Zebu Metals tamin' ny taona 2008, ary avy eo tamin' ny Tantalus Rare Earths tamin' ny taona 2009. Tamin' ny taona 2012 ny Tantalus dia nanaiky ny hamatsy ny orinasa Rhodia amin' ny vokatra tany tsy fahita firy avy amin' ilay toeram-pitrandrahana. Bankirompitra tamin' ny taona 2015 ny Tantalus. Tamin' ny volana Jona 2016, ny 60 % amin' ny fananan' ny Tantalus dia notazonin' ny REO Magnetic Pte Ltd. any Singaporo, ary ny 40 % an' ny Tantalus Rare Earths AG any Alemaina.

Tamin' ny volana Jona sy Jolay 2016, ny REO dia nivarotra ny tsatòkany tao amin' ny toeram-pitrandrahana tamin' ny ISR Capital Ltd any Singaporo. Tamin' ny taona 2019 ny ISR dia nantsoina hoe Reenova Investment Holding. Ny Rennova dia nivarotra ny tombotsoany 75 % amin' ilay tetikasa tamin' ny 2021 tamin' ny GRM Group tamin' ny vola 4.5 tapitrisa dôlara USD.

Jereo koa

hanova