Ady Arabo-Israeliana

(tonga teto avy amin'ny Ady Arabo-Isiraeliana)

Ny Ady Arabo-Israeliana dia disadisa henjana teo amin' ny Fanjakan' i Israely sy ny firenena arabo manodidina nanomboka tamin' ny namoronana an' io fanjakana io tamin' ny 14 Mey 1948. Niafara amin' ny ady mitam-piadiana fito izany: ny Ady tamin' ny taona 1948, ny Ady momba ny Lakandranon' i Suez tamin' ny taona 1956, ny Ady Enina Andro tamin' ny taona 1967, ny Lazon' Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1967, ny Ady nandritra ny Yom Kippur tamin' ny taona 1973, ny Ady Voalohany tao Libàna tamin' ny taona 1982, ary ny Ady Faharoa tao Libàna tamin' ny taona 2006.

Ity fifandonana ity dia mitana toerana lehibe ao amin' ny jeôpôlitikan' ny Afovoany Atsinanana, izay misy olana maro miaraka aminy: ny tsy fandriam-pahalemana amin' ny faritra (noho ny tsy fankatoavan' ny ankamaroan' ny firenena arabo ny Fanjakan' i Israely), ny fifehezan' ny Israeliana ny masina. toerana misy an' i Jerosalema (tanàna masin' ny mônôteisma telo), zanatany israeliana any amin' ny Jôrdania Andrefana sy ny Lembalemban' i Golan, ary ny fifehezan' ny Isiraeliana ny farihin' i Tiberiasy (loharano rano fisotro lehibe).

Ny fifandonana israeliana-arabo dia mifanitsy ary mifandray amin' ny ampahany amin' ny Ady Israeliana-Palestiniana, miavaka noho ny fanontaniana momba ny mpitsoa-ponenana Palestiniana, noho ny firongatry ny fanindrahindran-tanindrazana palestiniana (teraka tamin' ny taompolo 1920 fa tsy tantaraka amin' ny alalan' ny fananganana fanjakana) ary noho ny fisehan' ny ireo vondrona mpikatroka palestiniana, tamin' ny faramparan' ny taompolo 1960, izay nanao fanafihana sy fakana takalon' aina ary fanodinkodinana fiaramanidina.

Jereo koa hanova