Metôdiôsy avy any Ôlimpôsy

I Metôdiôsy avy any Ôlimpôsy na Metôdiôsy avy any Patara dia mpanao asasoratra kristiana miteny grika, maty tamin' ny taona 311 na 312, izay evekan' i Ôlimpôsy sy Tirôsy (na Tiro). Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Μεθόδιος Όλύμπου / Methodios Olympou.

Metôdiôsy avy any Ôlimpôsy

Ny fiheverana fa evekan' i Patare izy dia avy amin' ny "fifampiresahana" nataony atao hoe Momba ny Fitsanganana amin' ny maty. izay miseho ao amin' ity tanàna ity. Maritiora masina izy ary ankalazaina amin' ny 20 Jona, ary anisan' ny Rain' ny Fiangonana grika.