Ôlimpôsy (Torkia)

I Ôlimpôsy, izay atao amin' ny teny grika hoe Ὄλυμπος / Ólympos ; sy amin' ny teny latina hoe Olympus, dia tanàna tany Likia (Lycia, Lykia) fahiny. Teo amin' ny lohasahan-drenirano akaikin' ny morontsirak' i Mediteranea no nisy azy. Any atsimon' ny tanànan' i Çıralı ao amin' ny Distrikan' i Kumluca ao amin' ny Faritanin' i Antalya, tapany atsimo-andrefan' i Torkia no misy ny sisam-paharavàny.

Ampahany amin' ny Beydağları Sahil Milli Parkı mankany amin' ny tanàna fahiny Ôlimpôsy (Olympos)

Miaraka amin' ny toerana nisy ny tanàna fahiny Phaselis sy Idyros, dia anisan' ny Valan-javaboarin' i Olympos Beydaglari (tiorka: Beydağları Sahil Milli Parkı) izy. Hita any amin' ny kilometatra vitsivitsy any avaratra andrefan' ilay toerana ny afon' entona maharitra ao Yanartaş.