Kômôriana eto Madagasikara

Ny Kômôriana eto Madagasikara dia ireo mponina avy ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro sy ny taranak' izy ireo izay nifindra monina eto Madagasikara nanomboka tamin' ny vanimpotoana faha mpanjaka sy tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahantany frantsay.

Tantara hanova

Tombanana ho eo anelanelan' ny 80 000 sy 100 000 ny isan' ny Kômôriana monina any ivelan' i Kômôro; nandritra ny fanjanahantany, ny ankamaroan' izy ireo dia nonina tao Tanzania sy teto Madagasikara, ary tao amin' ny faritra hafa any atsimo-atsinanana amin' i Afrika. Nihena be ny isan' ny Kômoriana nonina eto Madagasikara taorian' ny korontana namonoan' ny Betsirebaka ny Kômôriana tamin' ny Desambra 1976 tao Mahajanga, izay nahafatesana Kômoriana misa 1 400 fara-fahakeliny. Nahatratra 17 000 ny Kômôriana nandao an' i Madagasikara mba hitady fialofana tany an-tanindrazany tamin' ny taona 1977 fotsiny.

Toe-javatra ankehitriny hanova

Misy karazany roa ny Kômôriana eto Madagasikara, dia ireo izay efa manana ny zom-pirenena malagasy (izany hoe Malagasy manam-piaviana kômôriana) sy ireo tsy manana zom-pirenena (tsy mizaka zom-pirenena na inona na inona). Iretsy farany dia miisa eo anelanelan' ny 70 000 sy 120 000[1][2]. Mozilmana ny ankamaroan' ny Kômôriana eto Madagasikara, izay manatevina ny fikambanana Silamo Malagasy.

Araka ny Joshua Project dia toy izao ny isan' ny Kômôriana eto Madagasikara (anatin' izany ny Mahôry): Mahôry (avy ao Mayotte): 6 200, Moaly (avy ao Mwali): 2 000, Njoany (avy ao Nzwani): 16 000, Ngazija (avy ao Ngazidja): 17 000 (amin' ny mponina rehetra miisa 30 326 000 eto Madagasikara)[3]; raha atotaly izany dia manome 41 200, izany hoe 0,14 % eo ho eo.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Bertelsmann Stiftung (2020). Bertelsmann Stiftung's Transformation Index: 2020 Country Report — Madagascar (PDF) (Report). Gütersloh, Germany: Bertelsmann Stiftung, p. 6 (tahiry).
  2. McInerney, Caroline (January 2014). "Accessing Malagasy Citizenship: The Nationality Code and Its Impact on the Karana". Tilburg Law Review. Tilburg, Netherlands: Tilburg University Law School. 19 (1–2): 182–193 (p. 186).
  3. "Country: Madagascar", Joshua Project (notsidihina tamin' ny 10 Jolay 2023).