I Mayotte na Maoré na Mahôry dia tamba-nosy sady departemanta frantsay any andrefan' ny Tamba-nosin' i Kômôro, any avaratra andrefan' i Madagasikara. Ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika no misy azy; ny renivohiny dia i Mamoudzou, izay tanàna lehibe indrindra any. Manana velarana mirefy 376 km2 ilay tamba-nosy. Tamin' ny taona 2023 izy dia nisy mponina 310 022.

Ny nosy Mayotte ao amin' ny Ranomasimbe Indianina hitan' ny zanabolana Sentinel 2, tamn' ny 14 Aogositra 2021.

Ny anaran' i Mayotte dia avy amin' ny teny pôrtogey Mayotta, fandikana ny teny soahily hoe Maouti, izay lazaina fa avy amin' ny teny arabo hoe جزيرة الموت / Jazirat al Mawet izay midika hoe "nosim-pahafatesana" (angamba noho ny fisian' ny haran-dranomasina manodidina ilay nosy izay efa hatry ny ela no mampidi-doza ho an' ny sambo). Amin' ny fiteny simaôre (fitenim-paritra avy amin' ny fiteny soahily), dia antsoina hoe Maoré ilay nosy.

I Mayotte

Manana nosy kely maromaro i Mayotte: i Mtsamboro, i Mbouzi ary i Bandrélé; ny kaody ara-departemanta ôfisialiny dia 976. Misy telo ny fitenin' ny olona ao, dia ny fiteny frantsay (fiteny indô-eorôpeana) sy ny fiteny simaôre na kimaôre (fiteny banto) ary ny fiteny sibosy na kibosy (fiteny aostrôneziana). Amin' ny teny frantsay i Maiôty dia atao hoe Mayotte, fa amin' ny fiteny simaôre kosa dia Maore.

Sarin-tanin' i Mayotte

Tamin' ny nanjakan' i Louis-Philippe I (mpanjakan' i Frantsa) dia navarotr' i Andriantsoly, soltana faran' i Mayotte izay natahotra ny fandrahonan' ny fanjakana manodidina azy, tamin' ny Frantsay ilay nosy tamin' ny 25 Avrily 1841, mba hahazoany fiarovana. Tamin’ ny taona 1848 dia nakambana amin' ny Repoblika Frantsay ilay nosy. Tamin' ny taona 1886 dia nivadika prôtektôrata ny nosin' i Kômôro Lehibe (na Ngazidja) sy i Môhely (na Mwali) ary i Njoany (Njdwani) izay notantanin' ny governoran' i Mayotte. Nivadika departemanta andafin' i Frantsa i Mayotte tamin' ny 30 Marsa 2011. Ataon' ny Malagasy hoe Antimahôry na Antemahôry ny mponina ao Mayotte.

Mamoudzou

Ny nosy manan-danja ao amin' ny tamba-nosin' i Mayotte dia ireto:

  • i Grande-Terre, 363 km2, izay mirefy 39 km ny lavany ary 22 km ny sakany. Ny toerana avo indrindra ao dia aminy dia ny tendrombohitra Bénara na Mavingoni (660 m), ny tendrombohitra Choungui (594 m), ny tendrombohitra Mtsapéré (572 m) ary ny tendrombohitra Combani (477 m). Ao no misy an' i Mamoudzou, renivohitra ara-toekaren' i Mayotte sady misy ny foiben' ny filankevitra departemantaly sy ny prefektiora;
  • i Petite-Terre (na nosikely Pamanzi), miaraka amin' i Dzaoudzi sy Pamandzi (izay misy ny seranam-piaramanidina). Mirefy 11 km2 io nosy io;
  • ny nosikely Mtsamboro, izay nosy fahatelo lehibe indrindra (2 km2). Mpanjono no tena mipetraka manharitra ao;
  • ny nosikely Mbouzi (84 ha), voatokana ho tahirim-boajanahary;
  • ny nosikely Bandrélé, nosy fahadimy lehibe indrindra;
  • ny nosikely Sable Blanc, eo akaikin' ny valan-javaboary an-dranomasina Saziley (faritra arovana an-dranomasina).

Jereo koa hanova

Nosy ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro:

Hafa

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.