I Jonas Wendell avy any Edinboro, Pennsylvania, dia mpitoriteny advantista nafana fo nanaraka ny fampianaran' i William Miller. Teraka tamin' ny 25 Desambra 1815 ary maty tamin' ny 14 Aogositra 1873 izy. Taorian' ilay "fahadisoam-panantenana lehibe", dia niaina vanim-potoan' ny fahalemen' ny finoana i Wendell, toy ny Advantista maro. Velona indray ny finoany tamin' ny farany rehefa avy nanavao ny fianarany momba ny fanisan-taona momba ny Baiboly (ara-tantara sy ara-paminaniana) ary nanomboka nitory tany Ohio, Pennsylvania, Virginia ary New England izy. Tamin' ny faramparan' ny taompolo 1860 dia nianatra ny fanisan-taonan' ny Baiboly izy ary namporisika azy ny tsoa-kevitra izay nampiseho aminy fa hitranga amin' ny taona 1868 na 1873/1874 ny fiverenan' i Kristy. Tamin' ny taona 1870 i Wendell dia namoaka ny heviny tao amin' ilay bokikely atao hoe The Present Truth, or Meat in due season, ary nanatsoaka hevitra fa azo antoka fa hitranga amin' ny tao na 1873 ny fiavian' i Kristy fanindroany.

Sariitatra mampiseho an' i Jonas Wendell sy ny fanambarany ny fiverenan' i Kristy amin' ny 1873.

Tsy fantany fa ny fanatrehana ny iray tamin' ny famelabelarany dia namerina an' i Charles Taze Russell hino ny Baiboly indray ho tena tenin' Andriamanitra, izay nitarika an' i Russell hanao asa fanompoana koa.