Ny Tantara dia fandinihana ny zava-mitranga, ny zava-bita ary ny zavatra mikasika azy. Ny tantara dia zavatra tantaraina, izy io dia fitaratry ny zava-mitranga efa lasa, ary ny olona mandinika sy mitantara io zavatra io dia lazaina hoe mpahay tantarata.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Tantara ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

The Historian (ilay mpitantara)
The Historian (ilay mpitantara)

Fifironan-teny hanova

Avy amin'ny fiteny sanskrity तन्त्र / tantra ny teny malagasy hoe tantara.

Ny tanjon'ny tantara hanova

Ny tantarata dia manandrana mamisavisa, manazava na mamerina ny zava-nitranga tamin'ny fotoana taloha. Na inona na inona ny fotoana, na inona na inona ny zana-tanjon'ny tantarata, ny Tantara dia "zavatra foronin'ny olona", soratana anatin'ny fotoana isiany. Araka ny lasain'ny tantarata Antoine Prost : « L’histoire c’est ce que font les historiens » ("Ny tantara dia ataon'ny tantarata ").

Ny tantara dia karazana filaza, tsy mifototra amin'ny famoronan-javatra, fa mifototra amin'ny loharano. Mifatotra amin'ny loharano izy mba hamerina ny singan'ny efa lasa.

Ny tantara, tsy hoe fitaratry ny efa lasa, dia mifototra ara-pomba. Nivoatra izy tamin'ny fandrosoan'ny taona, fivoarana tenenina hoe tantaram-panoratana ny tantara na historiographie amin'ny teny frantsay. Ny fomba ara-tantara dia mifototra eo amin'ny vondrona siansa manatrika azy ary manampy ny tantarata hanoratra ny tantarany.

Jereo koa hanova