Fanafoanana ny fanjanahantany

Ny fanafoaznana ny fanjanahantany dia dingana amin' ny famotsorana ny fizaràn-tany voazanaka tsy ho eo ambany fanapahan' ny firenena mpanjanaka. Matetika mitarika ho amin' ny fahaleovantenan' ny firenena voazanaka izany. Nanomboka tamin' ny taona 1775 tany Amerika, taorian' ny Ady Lehibe Faharoa no niely izany hevitra izany, raha toa ka niely eran-tany izany tamin' ny fivoaran' ny nasiônalisma voalohany nipoitra tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Ny Firenena Mikambana dia nanolotra toe-javatra tsara ho an' ny fanafoanana ny fanjanahantany ary noho izany dia lasa sehatra ho an' ny fanoherana ny fanjanahantany mahery vaika. Tamin' ny taona 2023 ny Firenena Mikambana dia nihevitra fa tsy nifarana ny fanafoanana ny fanjanahantany, satria mbola ekeny ny fisian' ny "fizaràn-tany tsy manana fizakan-tena" miisa 17, ny ankamaroany dia nosy.

Ny teny hoe "fanafoanana ny fanjanahantany" dia voamarim-pisiana hatrany amin' ny taona 1836, tamin' ny taona voalohany nisian' ny Frantsay tany Alzeria, teo amin' ireo izay nitaky ny fandroahana azy ireo, avy eo dia hadino alohan' ny hampiasana azy indray tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1950.