Ny emira dia anaram-boninahitra ampiasaina ao amin' ny Tontolo Mozilmana hanondroana ny mpanjaka na olona mitana toerana ambony ara-miaramila na ara-pôlitika, na olon-kafa manana fahefana tena izy na ara-pombafomba. Avy amin' ny teny arabo hoe أمير / ʾamīr izay manondro ny olona manome baiko io teny io izay avy amin' ny matoanteny arabo hoe أَمَرَ /ʾamara (midika hoe "mandidy"). Ny teny arabo hoe emir dia mety hidika hoe "andriandahy" ("emira" raha midika hoe "andriambavy") rehefa manondro olona mitondra fari-tany, na "jeneraly" rehefa manondro kômandin' ny tafika. Ny fari-tany tapahin' ny emira dia atao hoe emirata. Azo ampiasaina ho anaran' olona koa ny teny hoe emir, izany no anoratana hoe "Amir" (na أميرة /ʾamīrah ho an' ny vehivavy). Avy amin' io anaram-boninahitra hoe amir io ny teny hoe amiraly.

I Mohammed Alim Khan, Emiran' i Bukhara. Sary nalain' i Sergei Prokudin-Gorsky tamin' ny taona 1911 avy nandritra ny asa fanadihadiana momba ny Empira Rosiana.

Io anaram-boninahitra io dia manana tantara lava be tamin' ny fampiasana azy ao amin' ny Tontolo Arabo, ao Afrika Atsinanana, aty Afrika Andrefana, any Azia Afovoany, ary ao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana.

Amin' izao vanim-potoana môderina izao, rehefa ampiasaina ho anaram-boninahitra ara-panjaka io teny io dia mitovy amin' ny hoe "andriana", ary azo ampiharina amin' ny zanaky ny mpanjaka nandova fanjakana, na ho an' ny mpanjaka mbola manapaka ao amin' ny fari-tany anjakany atao hoe emirata.

Ankehitriny, ny teny hoe "emir" dia ampiasaina indraindray ho anaram-boninahitra ho an' ny loham-pikambanana na hetsika islamika na arabo (na inona na inona fivavahany).

I Katara sy i Kôety no hany firenena mahaleo tena mitazona ny anaram-boninahitra hoe "emir" ho an' ny mpanjakany. Tato anatin' ireo taona faramparany dia nosoloana ny hoe "mpanjaka" tsikelikely ilay anaram-boninahitra tamin' ireo mpitondra nifandimby amin' izao fotoana izao izay te hanasongadina ny fahefany lîka (tsy ara-pivavahana) eo ambanin' ny fanjakana tan-dalàna. Ohatra iray miavaka i Bareina izay nanova ny anaram-boninahitry ny mpitondra azy, avy amin' ny emir ho amin' ny hoe mpanjaka tamin' ny taona 2002.

Jereo koa hanova