Ny Empira Rosiana, na Empiran' i Rosia, dia empira tao tapany avaratr' i Eorazia nanomboka tamin' ny 17 Ôktôbra 22, daty nanambaràna ny maha empira an' i Rosia tamin' ny fitondran' i Piotr Alekseievitch Romanov (na Piotr I), ka nifarana tamin' ny 14 Septambra 1917, andro nanambaràna ny Repoblika Rosiana. Ny renivohiny dia i Sankt-Peterburg (frantsay: Saint Petersbourg; anglisy: Saint Petersburg). Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe Российская империя / Rossíjskaja impérija; amin' ny tsipelina nialoha ny fanavaozana tamin' ny 1917-1918: Россійская имперія / Rossíjskaja impérija.

Ny Empira Rosiana tamin' ny taona 1914

Tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 dia tokony ho 21 800 000 km2 ny velaran’ ilay empira (efa ho 1/6 amin' ny velaran' ny tany maina). Ankoatry ny fizaràn-tanin' ny Federasiônan' i Rosia amin' izao fotoana izao, ny Empira Rosiana dia nahitana ny faritany baltika, ny ampahany be amin' i Okraina, i Bielôrosia, ny ampahany amin' i Pôlônina, i Môldavia Atsinanana (i Môldavia ankehitriny), i Kaokazy, ny Dokea lehiben' i Finlandy ary ny ampahany manan-danja amin' i Azia Afovoany, ankoatry ny zanatanin' i Rosia tany Amerika, indrindra fa i Alaska, izay namidy tamin' i Etazonia tamin' ny taona 1867, ary ny tanàna voaaro mandan' i Port-Artur (Порт-Артур; na frantsay: Port Arthur) izay nahofa amin' i Sina tamin’ ny taona 1894.

Tamin' ny taona 1914 dia nizara ho fanjakana 81 sy ôblasta na faritra 20 ny Empira Rosiana. Anisan' ny vasaly sy prôtektôratan' i Rosia ny Kanatan' i Bukhara, ny Kanatan' i Khiva, ary, taorian' ny taona 1914, i Tuva. Ankoatra an' i Rosia, ity empira ity dia nahitana ny Fanjakan' i Pôlônia (1815-1915), napetraky ny Kôngresin' i Vienna (1814-1815) teo ambany fiahian' i Rosia, ary ny Dokea lehiben' i Finlandy (1809-1917). Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 1897 dia nisy mponina 125,6 tapitrisa teo ho eo ilay empira tamin' izany fotoana izany, ka maherin' ny 70 % (93,4 tapitrisa) no nipetraka tao amin' ny tapan' i Rosia ao Eorôpa. Maherin' ny zato ny vondrom-poko nonina tao amin' ny fizaràn-tanin' ilay empira (ny Rosiana dia 45 % amin' ny mponina).

Ny Empira Rosiana dia fitondrana aotôkratika tarihina emperora, izay matetika antsoina hoe Gosudar ("andriamanjaka"), na Tsar any ambanivohitra. Ny anarany ôfisialy dia imperator. Avy amin' ny tarana-mpanjaka Romanov emperora. Ny kristianisma ôrtôdôksa no fivavahana ôfisialin' ilay empira, izay notantanan' ny emperora amin' ny alalan'ny Sinôda Masina. Ny vahoakan' ilay empira dia mizara ho kilasy toy ny dvorianstvo (дворянство, ny "andriana"), ny mpitondra fivavahana, ny mpivarotra (mizara ho vondrona maromaro), ny mechchanstvo (мещанство, "mpivarotra madinika" na mpanao asa tanana), ny Kôzàka, ary ny tantsaha (afaka, an' i fanjakana, na fehezin' ny andriana).

Jereo koa hanova