Apôkalipsin' i Pseodô-Metôdiôsy

Ny Apôkalipsin' i Pseodô-Metôdiôsy dia nosoratana tamin' ny teny siriàka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-7, tao amin' ny tapany avaratr' i Mesôpôtamia, izay namolavola sy nisy fiantraikany teo amin' ny fomba fisainana eskatôlôjika kristiana tamin' ny Andro Antenatenany. Nolazaina amin' ny fomba diso fa nosoratan' i Metôdiôsy avy any Ôlimpôsy, izay Rain' ny Fiangonana tamin' ny taonjato fahefatra, ilay asasoratra izay miezaka ny hanazava ny fandresen' ny silamo ny faritra Atsinanana Akaiky.

Ity apôkalipsy ity dia misongadina amin' ny fampidirana ny lafiny maro izay efa nisy taloha teo amin' ny eskatôlôjia kristiana, toy ny fanafihan' i Gôga sy Magôga, sy ny fitsanganan' ny Antikristy, ary ny fahoriana izay hialoha ny faran' izao tontolo izao. Ity boky ity anefa dia manampy singa vaovao amin' ny eskatôlôjia kristiana: ny fisandratan' ny emperora rômana mesianika. Io singa io dia nijanona ao amin' ny literatiora apôkaliptika kristiana mandra-pahatapitry ny vanim-potoanan' ny Andro Antenatenany.

Nadika tany am-boalohany ho amin' ny teny grika, latina, kôpta, armeniana, ary tamin' ny teny slavônika ilay boky tany am-balohany.