Ôrientalisma (siansa)

Ny ôrientalisma na ôrientôlôjia dia taranja siantifika izay manan-tanjona ny fandalinana ny fiteny sy ny sivilizasiôna tatsinanana, indrindra amin' ny lafiny ara-tantara, ara-kolontsaina, ara-javakanto, ara-pivavahana ary ara-piteny. Anisan' ny singa azo tanisaina ny japanôlôjia, ny sinôlôjia, ny tibetôlôjia, ny indôlôjia, ny asiriôlôjia, ary ny ejiptôlôjia koa aza. Ny taranja hafa dia eo am-pihaonan' ireo kolontsaina maro ireo, toy ny donhoangôlôjia.