Ny zanga na dingadingana dia karazam-biby an-dranomasina, miendrika varingarina sady malemy, matetika mitovy endrika amin' ny kitsaotsao, iray karazana amin' ny tsararavy sy ny sokindriaka. Manana halavana mirefy 2 sm ny farany fohy ary migoatra ny 3 m ny farany lava (miendrika bibilava), raha mirefy 10 hatramin' ny 30 sm ny ankamaroany. Miaina any ambanin' ny ranomasina maneran-tany ny zanga.