Zafindraony (hira)

Ny zafindraony dia karazan-kira malagasy malaza any amin' ny faritry ny Betsileo, izay vokatry ny fiezahan' ny Malagasy hampifangaro ny fomba fihira vazaha sy ny an' ny Malagasy, tamin' ny nidiran' ny fivahana kristiana teto Madagasikara, ka ahenoana olona maro mihira sy mizara feo (feo voalohany, faharoa, fahatelo ary fahefatra). Matetika ny hira fifohazana (ao amin' ireo fiangonana prôtestanta), izay tsy noforonin' ny Vazaha sady tsy hita ao amin' ny boky fihirana (fihirana FFPM), dia hira zafindraony.

Ny hira zafindraony dia noforonin' ny Kristiana malagasy tao amin' ny faritry ny Betsileo. Tany amin' ny faritry' Isandra no nipoirany voalohany. Tamin' ny taonjato faha-19 no tena nandrosoan' ny hira zafindraony. Mizara feo efatra miavaka tsara ny mpihira. Misy ny fitafiana sy fihaingaona ary fomba manokana rehefa mihira zafindraony: randranina ny volo, misatroka penjy na satrobory, mitsanga na mipetraka rehefa mihira. Hira ao amin’ny Tobilehibe Soatanàna ny zafindraony. Mandritra ny fotoana ifanasana tongotra dia hiraina ny zafindraony. Mandritra ny fotoana isakafoanana dia hiraina ny zafindraony. Tsy mihira zafindraony anefa ny fiangonana mandritra ny fotoam-pivavahana manaraka litorjia.

Jereo koa hanova