Wikipedia:Takelaka/Tahiry 2015

Janoary 2015

Ny didy jadona dia firenena iray izay olona iray na antoko politika manana ny fahefana hanao izay tiany. Ao amin'ny didy jadona, matetika tsy manana zo maro na ny fahafahana ny olona.

Ny mpanao didy jadona dia avy amin'ny fitondrana noho ny ny antony maro toa ny olana ara-tsosialy goavana na ny tsy fananana asa, ny vidim-piainana, na ny korontana eo amin'ny mponina. Ny mpanao didy jadona dia tokony tohanan'ny vondrona mahery, toy ny tompon-tany, ny tompon'ny orinasa tsy miankina, tompon'ny banky na indraindray andrim-panjakana toy ny Eglizy Katolika mba nametraka lalàna sy ny filaminana an-kery. Izany hery izany amin'ny ankapobeny dia mikendry ny ampaha mahantra ny fiaraha-monina, toa ny mpiasa tsy an'asa, foko vitsy an'isa, kilasy miasa sy ny tanàna natao tamin'ny tanàna baoritra. Ohatra tamin'izany, ny fitondrana jadona any Amerika Latina. (tohiny...)

Febroary 2015

Ny zotra Fianarantsoa-Côte Est , na FCE , dia zotran-dalamby ao Madagasikara mandalo amin'ny tanànan'i Fianarantsoa amin'nyamorintsiraka atsinanan'ny nosy, ary indrindra indrindra ao Manakara, izay ao amin'ny faritanin'i Fianarantsoa ihany koa. Mitondra ny anaran'ilay zotra ny orinasa mpitrandraka, Fianarantsoa Côte Est.

Misy zotra telo hafa trandrahana ao Madagasikara, izay ao Avaratra Atsinanan'ny nosy, samy mifanohy ary tantanan'i Madarail.

Ny mpanjanaka frantsay no namboatra azy io tamin'ny 1926. Nalefa an-tapatapany ny zotra FCE. Avy ao Manakara hatrany Manampatrana ary mandalo amin' Ambinany ny singa voalohany tamin'ny 24 Jolay 1934. Naitatra ny 1 Jolay 1935 hatrany Tolongoina ny zotra ary tanteraka ny 1 Aprily 1936 163 km no halavany, ary mandalo amina gara 17 (De Cantelou no mpandrafi-trano), tetezana 65 ary tonelina 48 no hita amin'iay zotra. 1074 m no refin'ny ao Ankarapotsy. (tohiny...)

Martsa 2015

I Finlandy dia firenena any Eoropa Avaratra ao amin'ny Vondrona Eoropeana hatry ny taona 1995.

Ny Finlandy dia manana amorontsiraka eo amin'ny ranomasina Baltika, indrindra eo amin'n gôlfan'i Bôtnia ary ny gôlfan'i Finlandy any atsimo. Ny tany misy an'i Finlandy dia any ivelan'ny tanjona Skandinava, any avaratra andrefan'i Rosia ary any atsinanan'i Soeda ; ny faritra avaratr'i Finlandy dia any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika.

Io toerana io dia tratra ny hatsiaka ary ngazana an-tapany mandritry ny andro ririnina, ny 5,3 tapitrisa mponina isain'ny demôgrafiam-pirenena dia manao an'i Finlandy firenena anisan'ny firenena kely hakitroky ny mponina indrindra eto an-tany. Ny ankabeazan'ny olona mipetraka any Finlandy dia mipetraka any atsimony, misy ny renivohitra Helsinki, sy ny tanàna lehibe, toy Espoo sy Vantaa, ao amin'ny Faritanin-drenivohitra. Ny finlandey dia manana teny ofisialy roa, ny teny finoa ary ny teny soedoa, ary ao anatin'ireo teny ireo, Suomi sy Finland ny anaram-pirenena.

Nandritry ny ela, ny Finlandy dia entin'ny Fanjakan'i Soeda mifanila aminy, namorona ny renivohitra voalohany, Turky, ny Finlandy dia mbola voamariky ny ady nampifanohitra azy tamin'i Rosia, tanjaka imperialista nampalasa azy diose rosy mizaka tena tamin'ny 1809 ; tamin'ny taonjato faha roapolo ny Finlandy vao nahazo fahaleovantena tamin'i Rosia tao aorian'ny ady an-trano tamin'ny 1917. (tohiny...)

Aprily 2015

Ny Tantara voajanahary izay natonta tamin'ny taonjato faha-17

Ny Naturalis Historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoratan'i Pliniosy Ilaibe, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny versiona tanteraka ary ny fanontana nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469, izay tsy dia nisy nahalala. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo. (tohiny...)

Mey 2015

Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona. Ilay raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy i Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany ; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Hisoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny 77 CE tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantaratsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha 17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (antranonkala na ambon'ny CD), toa i Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium. (tohiny...)

Jiona 2015

Léonard de Vinci (15 Aprily 1452 - 2 Mey 1519) dia lehilahy italianina iray izay niaina tamin'ny andron'ny Renaissance. Tsara izy amin'ny zavatra maro, fa dia malaza tahaka ny mpanao hoso-doko. Izy koa dia mpahay siansa, mpahay matematika, injeniera, mpamoron-javatra, mpahay endri-batana, sokitra, mpanao mari-trano, bôtanista, mpahay mozika sy ny mpanoratra. Mahaliana ny zava-drehetra eo amin'ny natiora I Léonard de Vinci. Tiany ho fantatra ny fomba niasa ny zava-drehetra. Izy dia mahay mianatra, mamorona sy manao isan-karazany ny zava-mahaliana.

Maro ny olona mihevitra fa Léonard de Vinci dia iray amin'ireo mpanao sary hosodoko lehibe indrindra tamin'ny fotoana rehetra. Ny olona hafa mihevitra fa izy no olona manan-talenta indrindra hatramin'izay mba efa niaina. Ny mpahay tantaran-javakanto Helen Gardner dia nilaza fa tsy nisy olona toa saika tahaka azy satria liana amin'ny zavatra maro izay toa nanana ny saina ny iray goavam-be, nefa ny zavatra toy tahaka ny olona dia mbola zava-miafina. (tohiny...)

Jolay 2015

Ny zotra Fianarantsoa-Côte Est , na FCE , dia zotran-dalamby ao Madagasikara mandalo amin'ny tanànan'i Fianarantsoa amin'nyamorintsiraka atsinanan'ny nosy, ary indrindra indrindra ao Manakara, izay ao amin'ny faritanin'i Fianarantsoa ihany koa. Mitondra ny anaran'ilay zotra ny orinasa mpitrandraka, Fianarantsoa Côte Est.

Misy zotra telo hafa trandrahana ao Madagasikara, izay ao Avaratra Atsinanan'ny nosy, samy mifanohy ary tantanan'i Madarail.

Ny mpanjanaka frantsay no namboatra azy io tamin'ny 1926. Nalefa an-tapatapany ny zotra FCE. Avy ao Manakara hatrany Manampatrana ary mandalo amin' Ambinany ny singa voalohany tamin'ny 24 Jolay 1934. Naitatra ny 1 Jolay 1935 hatrany Tolongoina ny zotra ary tanteraka ny 1 Aprily 1936 163 km no halavany, ary mandalo amina gara 17 (De Cantelou no mpandrafi-trano), tetezana 65 ary tonelina 48 no hita amin'iay zotra. 1074 m no refin'ny ao Ankarapotsy. (tohiny...)

Aogositra 2015

Ny kapila mateza dia fitaovana ampiasain’ny solosaina ho an’ny fitahirizana fampahalalana. Mandraikitra ny fampahalalana amin’ny alalan’ny fijanonan’ny herin’andriamby amina kapila ahodikodina ny kapila mateza. Ny mari-drefy ampiasaina amin’ny fandanjana ny angona azo tahirizina dia ny oktety. Ny oktety dia bit valo milahatra. Refesina amin’ny gigaoktety, izay iray miliara oktety, ny fahafaham-pitahirizan’ny kapila mateza. Ireo kapila mateza izay namboarina nanomboka tanatin’ny taom-polo 2010 dia refesina amin’ny teraoktety izay midika "arivo gigaoktety".

Ny orinasa IBM no namorona ary nanomboka nampiasa azy ireo tamin’ny taona 1956. Lasa fitahirizan’angona faharoa ho an’ny solosaina fampiasa amin’ny ankapobeny izy ireo tamin’ny fihatombohan’ny taompolo 1960. Ampihatsarana hatrany izy ireo ary ampiasaina amin’ny solosain’ny tsirairay ary ny servera ankehitriny. Orinasa miisa roanjato mahery no efa namoaka kapila mateza, na dia orinasa telo no tena hita misongadina toa i Seagate, Toshiba na Western Digital. Ny vola manontolo voaangona amin’ny fivarotana izy ireo dia 32 miliara dôlara isan-taona izay nihena telo isan-jato raha oharina amin’ny taona 2012. (tohiny...)

Septambra 2015

Ny Naturalis Historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoratan'i Pliniosy Ilaibe, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny versiona tanteraka ary ny fanontana nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469, izay tsy dia nisy nahalala. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo. (tohiny...)

Oktobra 2015

Léonard de Vinci (15 Aprily 1452 - 2 Mey 1519) dia lehilahy italianina iray izay niaina tamin'ny andron'ny Renaissance. Tsara izy amin'ny zavatra maro, fa dia malaza tahaka ny mpanao hoso-doko. Izy koa dia mpahay siansa, mpahay matematika, injeniera, mpamoron-javatra, mpahay endri-batana, sokitra, mpanao mari-trano, bôtanista, mpahay mozika sy ny mpanoratra. Mahaliana ny zava-drehetra eo amin'ny natiora I Léonard de Vinci. Tiany ho fantatra ny fomba niasa ny zava-drehetra. Izy dia mahay mianatra, mamorona sy manao isan-karazany ny zava-mahaliana.

Maro ny olona mihevitra fa Léonard de Vinci dia iray amin'ireo mpanao sary hosodoko lehibe indrindra tamin'ny fotoana rehetra. Ny olona hafa mihevitra fa izy no olona manan-talenta indrindra hatramin'izay mba efa niaina. Ny mpahay tantaran-javakanto Helen Gardner dia nilaza fa tsy nisy olona toa saika tahaka azy satria liana amin'ny zavatra maro izay toa nanana ny saina ny iray goavam-be, nefa ny zavatra toy tahaka ny olona dia mbola zava-miafina. (tohiny...)

Novambra 2015

Ny abidy koreanina izay azo antsoina ihany koa hoe hangul (hanja : 諺文 ; hangul : 한글 hangŭl, hangeul) na Chosŏn'gŭl (ao Korea Avaratra) dia abidy noforonina hanoratana ny fiteny koreanina. Ny tanjon'io fiforonana io dia hampihena ny tsifahaizana manoratra sy mamaky teny any Korea. Nivadika soratra ofisialy ny abidy hangul tamin'ny famoaha-dalàna tamin'ny taona 1894. Any korea avaratra, chosŏn'gŭl (조선글) no anaran'io abidy io.

Abidy tsy mampiasa sora-baventy ny soratra hangul. Ny hangul dia mampiasa litera 51, ary tononina hoe jamo (자모) izy ireo.

Arka ny lazain'i Louis-Jean Calvet, ny hangul, abidy iray mirindra tsara amin'ny rafi-peon'ny fiteny koreanina, ka anisan'ny abidy tsara indrindra eto an-tany.

Ankehitriny, ny endri-tsoratra hangul dia anisan'ny mampisongadina ny koreanina. Ny hanja (fomba fanoratana miendri-tsoratra sinoa) ankehitriny dia tsy ampiasaina intsony amin'ny fiainana mandavanandro ; ny asa soratra siantifika no tena mampiasa azy mba hampiavaka ny ireo teny mitovy tsipelina. Ny hanja no nanoratana ny teny koreanina hatramin'ny faramparan'ny taonjato faha-19. Efa nandramana nampiasain'ny fiteny hafa ny fiteny koreanina. Nanandrana nampiasa io abidy io ny fiteny cia-cia (ao Indonezia) nandritry ny taona vitsivitsy, fa niverina tamin'ny abidy latina indray noho ny tsifankasitrahan'ny manam-pahefana indonezianina. (tohiny...)

Desambra 2015