Ny konkordisma dia fivoasana ny bokim-pinoana izay anaovana fahadihadiana ny soratra masina ao aminy mba tsy hampifanohitra azy amin’ny fahalalana siantifikan’ny vanim-potoana iray. Amin’ny alalan’ny fivosana ara-bakiteny na amin’ny alalan’ny fanakaran-kevitra lalina kokoa ilay soratra masina no anatanterahana ny fanamarinana ara-tsiansa. Tsy voatery hisy fifandraisany anefa ny voalazan’ny soratra masin’ny fivavahana iray sy ireo petra-kevitra siantifika na dia mifanindran-dalana eny ihany aza. Ny Baiboly sy ny Koràna no matetika anaovan'ny mpanao heviteny fivoasana araka ny konkordisma. Ny fivavahana bodista sy hindoa koa dia ahitana betsaka ny fivoasana ny boky masiny araka ny konkordisma. (tohiny...)