I Christophe Colomb (teraka anelanelan'ny 25 Aogositra sy ny 31 Oktobra 1451 tany Gênes - Maty tamin'ny 20 Mey 1506, tany Espaina) dia olona voalohany indrindra tamin'ny Tantara niampita ny Ranomasimbe Atlantika amin'ny alalan'ny fahitana lalana vaovao mandeha-miverina anelanelan'ny kontinenta Amerikana sy ny Eoropa. Nanao zotra efatra izy hoatry ny mpamily sambo, ary niasa ho an'ny Mpanjaka Katolika (Reyes Católicos, amin'ny fiteny espaniola) Isabelle de Castille sy Ferdinand d'Aragon, nampalasa azy ny lohateny Manjaka Faharoan' India ary ho lasa sefon'ny nosy sy tany ho hitany. Ny fahitana ny eran'ny Karaiba dia nanamarika ny fanjanatanin' Amerika. Io fahitam-baovao io dia manamarika ny fanombohan'ny Fotoana Moderna.

Na dia milaza aza fa ny Viking no tonga tao Amerika voalohany tany amin'ny Terre-Neuve-et-Labrador, ary na dia efa nisy tanàna viking aza tany amin'ny faritra avaratry ny nosin'ny Tere-Neuve, I Colomb no tena lazaina fa « mpahitan' Amerika ».