Wikipedia:Takelaka/5 2012
Ny soratra dia fomba fametrahana an-tsary ny volan'ny fiteny iray, amin'ny alalan'ny endri-tsoratra soratana na natao sary (eo amina taratasy, ohatra), hahafahana mifanakalo fampahalalana haingana kokoa ary tsy mila feo.
Manasaraka ny Fotoana Nialohan'ny Tantara sy ny Tantara ny taona namoronana ny soratra.
Ny endri-tsoratra voalohany indrindra fantatra amin'izao tontolo izao dia endri-tsoratra hieroglifika hita tany Abydos (400 km miala ao Le Caire) eo amina vilany tany hita tanaty fasam-panjaka taloha. tamin'ny taona -3400 ireo soratra ireo no nosoratana. Taona maromaro taty aoriana, mipoita ny soratra miendrika fantsika an'ny Fanjakambe Someriana, tamin'ny taona -3300 teo ho eo.
Ny fanoratana, hoy i Wells, dia fahafahana "mametraka fifanekena, lalàna ary ny didy."
Ny lôgôgrama dia soratra iray maneho hevitra na zavatra iray. Betsaka ny lôgôgrama ilaina rehefa handika an-tsoratra fiteny iray, ary ny olana lehibe amin'ny soratra lôgôgrafika dia ny fianarana azy mandritry ny taona maro dia maro. (tohiny...)