Ny Tantara voajanahary izay natonta tamin'ny taonjato faha-17

Ny Naturalis Historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoraran'i Pliniosy Be Taona, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny santiôna tanteraka ary ny fanontana izay tsy dia nisy nahalala nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo. (tohiny...)