Ny tolom-bahoaka tamin'ny 1947 dia fikomiana malagasy nitranga tamin’ny taona 1947 sy 1948 teto Madagasikara, tamin’ny fotoana naha zanatany frantsay azy. Taorian’ny kirizy tany Indosinoa izay nipoaka tamin’ny 1946, dia heverina ho fambaran’ny fanafoanana ny fanjanahantany tany Afrika miteny frantsay izany. Ny fikomiana, izay naharinganana voanjo frantsay andaniny sy Malagasy tsy isan’ny mpitaky fahaleovantena ankilany, dia narahana famaizana mahatsiravina nataon’ny tafika frantsay izay namono Malagasy an’arivony maro. Mbola miady hevitra ireo mpahay tantara ny amin'ny tena isan'ny niharan’ny famaizana, ka eo anelanelan’ny 11 000 sy 100 000 ny isan’ny maty ary izany no iheverana ny zava-nitranga ho ny tena mahatsiravina indrindra teo amin’ny tantaran’ny fanjanahan-tany frantsay. Tsarovan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny andro tsy fiasana isaky ny 29 Marsa izany fikomiana izany nanomboka tamin’ny taona 1967. (tohiny...)