Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy; na koa Repoblika malagasy taloha) dia firenena na tany (fitambarana nosy) eo amin'ny Ranomasimbe Indianina. Madagasikara dia Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy mihotra ny enina (6).

Nandritry ny taonjato faha 19, ny nosin'i Madagasikara dia voazakan'ny Fanjakan'i Madagasikara, nihongana tamin'ny fanafihan'ny frantsay tamin'ny 1895. Ny Governemanta malagasy voalohany dia tamin'ny 10 Oktobra 1958 ary tamin'ny 1960, nahazo ny fahaleovantenany Madagasikara tao aorian'ny tolon'ny tia-tanindrazana. Madagasikara no nahazo no anisan'ny firenena voalohany nahazo fahaleovantena tao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indianina sy ary anisan'ny voalohany indrindra tao amin'ny faritra atsimon' Afrika.