Wikipedia:Takelaka/*/Vohitr'Andriana

Ny Ntaolo dia nanana ny fahendreny notoaviny amanjatotaona nandaminany ny toerana azon’ny olona tsirairay honenana eo amin’ny tendrombohitra 12 sy ny vohitr’andriana. Diso velively arak’izany ny filazana fa andriana avokoa ny tompon-tanindrazana eo amin’ny vohitr’andriana misy rova iray satria misy hova sy mpanompo koa monina eo. Ny toerana azo honenana dia miankina amin’ny firazanana sy ny fizokian’ny fianakaviana tsirairay eo amin’ny vohitra. Tsy misy noho izany olona afaka monina eo amin’ny toerana tsy mifanentana amin’ny satany. Ny tsy fanajana na ny fitsimbadihan’izany rindran-damina izany dia noheverin’ny Ntaolo hitondra faharatsiana eo amin’ny tontolony sy ny fiainany. Arak’izany, misy zara-tany azo sy tsy azon’ny andriana honenana amin’ny vohitr’andriana indrindra raha misy rova. Voahodidina hadivory ny vohitr’andriana ka navahan’ny Ntaolo ho anaty hady (faritra voahodidina hadivory) sy ivelan-kady (faritra ivelan’ny hadivory). (tohiny...)