Wikipedia:Mpandrindra/Fangatahana

Fangatahana ho lasa Mpandrindra

  

BeGasyDinika

Miarahaba tompoko!


Voninahitra ho ahy izay voalaza anarana etsy ambony no hanaovako izao fangatahana izao.

Toy izao manaraka izao ary ny momba ahy voalohany indrindra :

Ny tena anarako dia Bezara Roussel Florent, izaho dia mpianatra malagasy mianatra eto amin'ny Oniversite Mahajanga. Nanomboka niditra teto amin'i Wikipedia izaho tamin'ny 2013 anefa tsy dia nahafehy ny fampiasana ireo syntaxe wikipedia. Na dia izany aza dia niezaka hatrany aho nanoratra ny lahatsoratra tamin'ny teny malagasy. Roa taona taty aoriana, dia efa mahafehy tsara ireo fitaovana Mediawiki aho, ka nanomboka teo dia nanatombo sy nanatsara hatrany ny wikipedia malagasy aho.

Eto amin'ny wikipedia malagasy indray, dia vitsy dia vitsy ny mpikambana mavitrika amin'izao fotoana izao, ka mangataka ho lasa mpandrindran'ity wikipedia ity izaho. Ny antony manokana hangatahako ny zon'ny mpandrindra dia ny tenako mazoto sady tena tia hikarakara ity wiki ity, ary indrindra indrindra, manadio sy manaramaso ny lahatsoratra ary ny votoatiny, izay ho vitaina tsaratsara kokoa raha manana ny fitaovan'ny mpandrindra. Ankoatran'ny "asa fikojakojana" ny wiki moa dia misy antony faharoa indray : mahatsapa aho fa vitsy kely ireo mpandrindra wiki ity, hany ka betsaka ny lahatsoratra tsy voaharamaso, eo koa ny tsy fananan'ireo mpandrindra wiki ity ny fotoana. Ka heveriko arak'izany fa ilaina ny fanampina ny mpandrindra ary mino aho fa ny olona vonona sy mahafoy fotoana no tadiavina amin'ity Wikipedia malagasy ity.

Na dia kely aza ny mpandray anjara, betsaka ny asa kojakoja tokony hatao, nohon'ireo spam indrindra indrindra, ary koa noho ireo asa kojakoja ary ireo asa fanovana ny pejy voaaro (toa ny pejy fandraisana ary ny pejy misy ny endrika vangovango) sy ny asa fanakanana mpikambana mpanao spam.

Koa raiso tompoko ny voninahitra sy haja lehibe atolotro ho anareo.

MISAOTRA TOMPOKO!

--Be-Wiki-Gasy (discussion) 25 Mey 2015 à 15:22 (UTC)[répondre]

Hevitra

  1. Manohana. Na dia vao haingana aza ianao no nisoratra anarana teto amin'i Wikipedia, mino aho fa hitondra fiovana eto amin'i Wikipedia ianao. Ankoatra izany dia izaho irery ihany koa ny mpandrindra miteny malagasy eto, ka mahatsiaro ny filàna mpandrindra faharoa, indrindra rehefa amin'ny vanom-potoana tsy afaha-mandray anjara. — Jagwargrr... mailaka 25 Mey 2015 à 19:14 (UTC)[répondre]

Tahiry

  


JagwarDinika

Miarahaba antsika rehetra,

Ity ny momba ahy voalohany indrindra, Izaho dia mpianatra malagasy mianatra eto Frantsa nandritry ny folo taona. Tonga teto amin'i Wikipedia izaho tamin'ny 2008 anefa tsy dia nahay nanoratra tamin'ny teny malagasy be loatra. Na dia izany aza dia niezaka aho hanoratra tsara ny teny malagasy. Roa taona taty aoriana, efa mahafehy eo ho eo ihany ny fanoratana amin'ny teny malagasy aho, ka nanomboka nampiasa mpikambana rôbô hanoratana lahatsoratra ary nampiasa izay rôbô izay any amin'i Wikibolana, tetikaan-drakibolana hafa azon'ny tsirairay andraisana anjara. Tsy nisy olona mpandray anjara mavitrika tany amin'ilay rakibolana ka lasa aho nampirimpirina ary nanisy votoatiny tany. Mba hahamora ny asa kojakoja, dia nomena ny zon'ny mpandrindra aho, ary nanomboka nandray anjara tamin'ny alalan'ny tanana aloha tamin'ny voalohany, dia aveo tamin'ny alalan'ny rôbô izay efa nanao fanovana mahery ny fito tapitrisa amin'izao fotoana anoratako izao.

Eto amin'i Wikipedia indray, dia tsy misy mpikambana mavitrika eto amin'ny Wikipedia amin'ny teny malagasy amin'izao fotoana, ka mangataka ho lasa mpandrindran'ity wikipedia ity izaho. Ny antony hangatahako ny zon'ny mpandrindra dia ny tenako manam-potoana hikarakara ity wiki ity, ary indrindra indrindra, manadio ny lahatsoratra ary ny votoatiny, izay ho vita tsaratsara kokoa raha manana ny fitaovan'ny mpandrindra. Ankoatran'ny "asa fikojakojana" ny wiki moa dia misy antony faharoa : efa ho roa taona mahery izay ny mpandrindra manana zo maharitra no tsy mandray anjara eto intsony; tsy fantatro izy ireo raha mbola tonga mijery eto, fa ny hitako dia izy ireo tsy mandray anjara eto amin'ity wiki ity intsony, na dia manitsy ny hadisoan-tsipelina aza. Heveriko arak'izany fa tsy manana mpandrindra intsony ny Wikipedia malagasy.

Na dia vitsy aza ny mpandray anjara, be dia be ny asa kojakoja tokony hatao, nohon'ny spam indrindra indrindra, ary koa noho ireo asa kojakoja ary ireo asa fanovana ny pejy voaaro (toa ny pejy fandraisana ary ny pejy misy ny endrika vangovango) sy ny asa fanakanana mpikambana mpanao spam. Efa efa-taona mahery koa izaho no mandray anjara eto, ary noho izany efa mahafehy tsara ny fitaovana Mediawiki ary efa mahalala tsara ny fepetra tokony hajaina eto amin'i Wikipedia.

Ary na dia kely aza ny fotoana ananako eto am-pelan-tanana, mbola manam-potoana hanaovana ny asa fandraisan'anjara ary ny asa kojakoja ihany izaho, ka afaka mampiasa ny fitaovan'ny mpandrindra araky ny hataky ny fikambanana.

Jagwargrr... mailaka 6 Oktobra 2012 à 21:11 (UTC)[répondre]

Fanapahan-kevitra/Fandrosoana

  • (Septambra 2010) Fahazoana zo tsy maharitra.
  • (6 Oktobra 2012) Fangatahana ny zo tsy maharitra any amin'i Meta.

Manohana

  1. ...

Manohitra

  1. ...