I Wayne A. Grudem dia teôlôjiana amerikana ao amin' ny firehana evanjelika, mpampianatra amin' ny seminera, sady mpanoratra. Teraka tamin' ny 11 Febroary 1948 tao Jim Falls any Wisconsin (Etazonia) izy. Mpiara-manorina ny fikambanana Council on Biblical Manhood and Womanhood (mivoy ny fifamenoan' ny fahasamihafan' ny lehilahy sy ny vehivavy) izy ary nisahana ny asan' ny mpamoaka boky tao amin' ny ESV Study Bible.

I Wayne Grudem