I Wouter Deelen dia manampahaizana amin' ny teny grika sy hebreo, hôlandey anabatista, nisy fotoana naha mpitahiry bokin' i Henry VIII, avy eo izy lasa mpitoriteny tao amin' ny Fiangona hôlandey ao Lôndra. Atao hoe Gualterus Delenus ny anarany amin' ny teny latina fa Gualtier Delvin amin' ny teny frantsay. Teraka tao Balen ao amin' ny faritanin' i Antwerp any Brabant ary maty tao Lôndra tamin' ny taona 1563.