I Voahangy hanova

RAZAFINDRAZAKA Voahangiharisoa no tena anarany. Renim-pianankaviana. Manan-janaka telo lahy (Rija - Riana - Rado) izay samy efa raim-pianankaviana daholo. Efatra mianadahy no zafikeliny amin'izao fotoana izao, dia i Mandresy 7 taona - Mendrika 5 taona - Ny Tsiky 3 taona - Iharena 2 volana sy tapany.

Mpanankato teraka sy lehibe tao anatin'ny zava-kanto i Voahangy na avy amin'ny lafin-drainy na avy amin'ny lafin-dreniny satria samy hita (t)ao amin'ny fianankaviany daholo na ny mpitendry zava-maneno sy ny mpamorona, na ny mpilalao teatra na mpihira.

Voahangy - Mpihira hanova

Noho ny tontolo nisy azy dia mbola tanora dia tanora i Voahangy dia efa tia nihira sy nihira. Vao dimy taona izy dia efa mpiakatra mihira eo ambony seza amin'ny lanonam-pianankaviana. Rehefa nihalehibe izy dia tany amin'ny Skoto indray, fa Skoto moa izy fony kely ary "Cheftaine" taty aoriana, no nampiasany ny talentany nanafana afon-dasy na colonies de vacances.

Nanangana orchestre mpanafana lanonana izy, niaraka tamin'ireo anadahiny izay samy mpitendry zava-meneno avokoa. Tamin'izany no nahafantaran'i Raindimby azy. Tamin'ny taona 1981/1982 no nivoaka ny hira "Raiso ny Tanako Aloha", noforonin'i Raindimby, izay isan'ny tena nahafantaran'ny Malagasy an'i Voahangy. Misy mpanankato Malagasy hafa moa namorona hira ho azy koa, ka rehefa manao fampisehoana izy sy Raindimby dia naseho koa ny hira hahafantarana an'i Voahangy manokana (Solo). Efa niaraka niasa taminy tamin'ny seahtry ny kanto koa ohatra i Henri Ratsimbazafy, Clo Mahajanga, Declare (Black Jacks) izay namorona any amin'ny antsasaky ny hira hirain'i Voahangy. Taty aoriana koa i Tonton Pa.

Tsy nihanona fotsiny tamin'ny fihirana nefa i Voahangy na dia teo aza ny fiaraha-miasa tamin'ireo mpamorona samihafa. Nanandrana namorona hira koa izy, ka isan'ny hira noforoniny manokana ny "Fiainana Izany", "Ady ny Fiainana", "Manina anareo", "Tsiaro Anao", sns. Vao maika nandrisika azy tamin'ny famoronana koa ny fankafizan'ny mpihaino ireny hira ireny.

Ny hira milaza ny "lafiny maharary" eo amin'ny fiainana no tena hahafantaran'ny olona an'i Voahangy, ary matetika voasokajy ho mpihira be alahelo izy. Isan'ny tena mampiavaka an'i Voahangy koa ny filazana ny zava-misy eo amin'ny fiainan'ny Malagasy andavanandro. Tsy dia mankafy tononkira maivamaivana koa izy araka izany.

Tamin'ny 2006 izy no nahazo ny loka amin'ny hira malagasy tamin'ny nihirany ilay "Tora-bato" miverina, hira noforonin'i Clo Mahajanga.

Tamin'ity taona 2007 ity i Voahangy dia nahazo ny mari-boninahitra Officier de l'Ordre National Malgache. Nankalazaina tamin'ity taona ity koa ny faha-25 taona nihirany. "Voahangy - Gasigasy Accoustik" no vokatra farany navoakany. Tena mampiseho ny mahaMalagasy satria arahin'ny valiha marovany, korintsana, conga, ary jejy lava izy io.

"Ny faniriako dia hiaraka hifampitantana amin'ireo mpankafy Voahangy izay teo foana hatramin'izay ka hatramin'izao" (Voahangy).


Vokatra Efa Nivoaka hanova

- Volume 8 - Clips Special Slow : Misy hira 12.

- Volume 7 - 25 ans de scène.

- Volume 6 - Efa tsy nofy intsony : Misy hira 10.

- Volume 4 - Ny Havako : Misy hira 12.

- Volume 3 - Antitra Izy : Misy hira 12.

- Volume 2 : Misy hira 10.

- Volume 1 : Misy hira 10.

[Mila Fenoina]

Rohy hanova

Takelaka manokana : Voahangy

Tononkira sy sary : http://tononkira.serasera.org/mpihira/voahangy

Lahatsoratra ao amin'ny madanight : http://www.madanight.com/articles/musique/693-voahangy-l-eternel-retour-au-devant-de-la-scene.html