Vietnamy

(tonga teto avy amin'ny Vietinamy)
Cộng hoà Xã hội Chủ nghĩa Việt Nam ((vi))
Repoblika Sôsialistan' i Vietnamy ((mg))
Sain'i Vietnamy Mari-piandrian'i Vietnamy
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Độc lập, tự do, hạnh phúc
(Fahaleovantena, fahafahana, fahasambarana)
Teny ofisialy vietnamiana
Renivohitra Hanoi
21°2′N, 105°51′E
Tanàna lehibe indrindra Hô-Chi-Minh-Ville
Fitondrana sy governemanta
 - filoha
 - Praiministra
Repoblika
Nguyễn Phú Trọng
Nguyễn Xuân Phúc
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 65
331,698 km²
1,3 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2012)
 - hakitroka
faha 14
91 519 289 mpo.
253,5 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Vietnamiana, vietnamianina
Sandam-bola Đồng (VND)
Faritr'ora UTC +7
Hiram-pirenena Tiến Quân Ca
(Mandroso ny tafika)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+84

I Vietnamy, na Repoblika Sôsialistan' i Vietnamy dia firenena ao Azia Atsimo-Andrefana ao atsinanan' ny Saikanosy Indôsinoa. Mirefy 341 690 km² ny velaran-taniny ary miisa 90,3 tapitrisa ny mponina tgao aminy tamin' ny taona 2012. I Vietnamy no firenena faha-13 be mponina indrindra eto ambonin' ny tany ary firenena aziatika fahavalo be mponina indrindra.

Ny firenena mizara sisintany aminy dia i Sina, i Laôsy ary i Kambôdia. Ny renivohiny dia i Hanoi ary ny tanàna lehibe indrindra dia i Hô-Chi-Minh-Ville. Atao hoe Cộng hoà Xã hội Chủ nghĩa Việt Nam izy amin' ny fiteny vietnamiana.

Manana halava mirefy 1 700  km, avy avaratra mianatsimo, sy sakany tsy mihoatra ny 300 km i Vietnamy. Be tendrombohitra sy be lembalemba, izay mahatratra 65 %n’ ny taniny ity firenena ity. Ny Ony Mena ao avaratra sy i Mekong ao atsimo no ony lehibe indrindra any. Toetanin-janapehin-tany ny toetany any.

Makitroka ny mponina any Vietnamy ary misy mponina 1 000 isaky ny km2 amin’ ny faritra amorontsiraka sasany. Betsaka ny tanora satria latsaky ny 15 taona ny 37 %n’ ny mponina. Ny 75 %n’ ny mponina dia monina an-tanàn-dehibe.

Mandroso ny toekaren’ i Vietnamy nefa tsy voatsinjara tsara eran’ny taniny izany. Ny fambolena no loharanon-karena lehibe indrindra any, indrindra ny fambolem-bary. Mandroso koa ny fanjonoana.

Jeôgrafia hanova

I Vietnamy dia ao amin' ny tapany atsinanan' ny Saikanosy Indôsinoa. Ny velarantany manontolon' ilay firenena dia 331 210 km² izay mitovitovy velarana amin' i Alemaina. Ny halavan' ny morontsiraka dia 3 444 km. Ny tendrombohotra avo indrindra ao Vietnamy dia i Phan Xi Păng izay manana haavo 3 143 m.

Toekarena hanova

Nampalemy ny toekaren' i Vietnamy ny fandaniam-bola lehibe ho an' ny tafika sy ny fandaminana ny toekarena. Na dia izany aza, nitombo sahala amin' ny fitombon' ny toekaren' ny Sinoa ny toekaren' i Vietnamy taorian' ny nanesorana ny ankivy nataon' ny Amerikanina teo antenantenan' ny taona 1990. Nandritra ny taona 2000 dia tsy latsaky 4,7 % ny fitombon' ny harin-karena faobe.

Ny harin-karena faoben' i Vietnamy dia 299,2 lavitrisa dolara ka manao azy ho firenena faha-43 lehibe indrindra ara-toekarena. Tamin' ny taona 2011, ny anjara toeran' ny fambolena ao amin' ny toekaren' i Vietnamy dia 48 %, ny sampan-draharaha dia 29,6 % ary ny indostria dia 22,4 %.

Fizahàn-tany hanova

Mitombo isan-taona ny fizahàn-tany. 4,25 tapitrisa no isan' ireo mpizaha tany noraisin' i Vietnamy tamin' ny 2008[1].

Firenena niavian' ny mpizaha tany tonga tao Vietnamy
  1.   Sina
  2.   Korea Atsimo
  3.   Etazonia
  4.   Japana
  5.   Taiwan
  6.   Aostralia
  7.   Tailandy
  8.   Frantsa
  9.   Malaizia
  10.   Singapaoro

Jereo koa hanova

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tsiahy hanova

  1. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2011-05-15. Retrieved 2013-05-21.

Fantsom-baovao Archived Janoary 15, 2021 at the Wayback Machine Vietnamy