Vatokaranana mavokely

Ny vatokaranana mavokely na koaritsa mavokely dia karazana vatokaranana mampiseho loko mavokely mankamin' ny mena. Io lokony io dia matetika heverina ho vokatry ny habetsahan' ny titanina, vy, na manganezy ao aminy.

Vatokaranana mavokely

Ny vatokaranana mavokely sasany dia misy fanjaitra rotila mikrôskôpika izay miteraka asterisma raha andefasana hazavana. Ny fanadihadiana vao haingana amin' ny fampiasana tana-X dia nahafantarana fa io loko io dia noho ny fisian' ny tsiraka mikrôskôpika izay mety ho domôrtierita ao anatin' ny vatokaranana.

Vatokaranana mavokely kristalinina

Tsy fahita firy ny kristaliny. Ity karazany ity, izay antsoina matetika hoe vatokaranana mavokely kristalinina, dia manana loko izay heverina fa vokatry ny fisian' ny fôsfaty na viraty ao aminy. Toa mety ovan' ny hazavana sady mety hanjavona ny loko ao amin' ny kristaly. Hita tao amin' ny pegmatita tany akaikin' i Rumford (Maine any Etazonia) sy tany Minas Gerais (any Brezila) ny kristaly voalohany. Mangarahara kokoa sady tsy misy afa-tsy amin' io endrika kristaly io ireo kristaly ireo, noho ny loto avy amin' ny fôsfaty sy ny viraty izay namorona ny vatokaranana mavokely kristalinina, fa tsy toy ny tsiraka vy sy domôrtierita mikrôskôpika izay namorona vatokaranana mavokely.

Toerana ahitana vatokaranana maokely betsaka maneran-tany

Misy an-taonina maro ao amin' ny tahiry voajanahary breziliana (Minas Gerais) ny vatokaranana mavokely. Trandrahina mba hatao vatosoa, paihina na sokirina. Avy eto Madagasikara sy any Brezila ny vatokaranana mavokely tsara indrindra. Any Eorôpa, i Pôlônina nahitana vondrona kristaly mirefy an-tsantimetatra.

Jereo koa

hanova