Fomba fahandro ny vary tena mampiavaka ny malagasy tokoa ny vary amin'anana. Ny maraina no matetika fihinanana ny vary amin'anana (na dia misy ihany koa aza ireo mahinana azy ny hariva). Ny taharo fototra amin'ny fanaovana ny vary amin'anana dia :

  • ny vary
  • ny anana. Afaka manao karazana anana maro isankarazany, fa ny tena fampiasa matetika dia ny anandrano.
  • kitoza.

Fomba fahandro vary amin'anana hanova

  • Manao saosy voatabia aloha amin'ny voalohany. Tetehina madinika daholo ny anana rehetra, arotsaka ao rehefa voasasa. Elaela kely vao tapohana rano kely sy asiana cub'or.
  • Tetehina ho tapany kely ny kitoza. Dia endasina atao mendy tsara.
  • Andrahoina ny vary. Rehefa ho masaka iny vao afangaro aminy ny anana sy ilay kitoza kely be dia be. Afangaro tsara. Tapohana rano kely raha maina loatra.