Trano Pôntifikaly

Ny Trano Pôntificaly dia ny tranobe sy ny olona rehetra, mpitondra fivavahana sy laîka izay, noho ny fahamendrehana, ny fanampiana ary ny fitantanana, dia manodidina ny papa hanampy azy amin' ny anjara asany roa maha lohan' ny Eglizy Katôlika azy sy maha mpitondra ara-panahy sy ara-pôlitika azy, izay manampy azy manokana amin' ny fanatanterahana lanonana manokana, na ara-pivavahana na ara-panjakana. Amin' ny teny latinina izany dia atao hoe Pontificalis Domus,

Ny Trano Pôntifikaly dia nalamina ho vondrona roa: ny "Sapely Pôntifikaly" (Cappella Pontificia), izay manampy ny papa amin' ny asany amin' ny maha lohan' ny Eglizy Katôlika azy sy mpandimby an' i Md Piera (apôstôly), indrindra mandritra ny lanonana ara-pivavahana, ary ny Ankohonana Pôntifikaly (Familia Pontificia), izay manampy azy amin' ny maha filohan' ny vondrona manana andraikitra sivily, amin' ny maha lohan' ny Fiketrahana Masina azy, momba ny lalàna iraisam-pirenena eken' ny firenena sy fajakana ary ny fikambanana iraisam-pirenena.