Tilikambon' i Babela

(tonga teto avy amin'ny Tilikambon'i Babela)

Ny Tilikambon' i Babela na Tilikambo tao Babela, araka ny Baiboly, dia tilikambo avo dia avo nataon' ny olombelona mba hanakarana ny lanitra. Ny fanamboarana an' io tilikambo io dia tsy nahafaly an' Andriamanitra ka nahatonga azy nanamaro ny fitenin' ny olombelona mba tsy hifankahazoany sady hampitsahatra ny fanamboarana ilay tilikambo no hampiparitaka ny olombelona manerana ny tany. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe Migdal Babel ny anaran' io tilikambo io. Ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (Gen. 11.1-9) no ahitana ny tantara momba an' ilay tilikambo.

Ny Tilikambon'i Babela, nataon'i Pieter Bruegel the Elder, 1563.

Jereo koa: hanova