The New York Times
Ny The New York Times, hafohezina amin' ny hoe NYT, dia gazety mpivoaka isan' andro any New York, naorina tamin' ny taona 1851, mivoaka amin' ny teny anglisy, amin' ny teny espaniôla ary amin' ny teny sinoa. Indraindray izy dia antsoina hoe The Grey Lady.
Sampan' ny New York Times Company ny The New York Times. Iray amin' ny gazety telo be mpamaky indrindra any Etazonia izy, miaraka amin' ny Wall Street Journal sy ny USA Today. Noho ny kalitaony sy ny fanambaràna zavatra afenina ataony dia matetika izy io no heverina ho gazetiboky amerikana fakana vaovao marina ary nahazo valisoa 130 Pulitzer Prize ny fanadihadiana nataony. Izy io koa no gazety amerikana mpivoaka isan' andro manana mpamaky betsaka indrindra any ivelany. Mampiasa mpanao gazety 1 700 izy tamin' ny taona 2020 ary i Joseph Kahn no talen' ny famoahan-dahatsoratra. Efa notantananan' ny fianakaviana Ochs-Sulzberger amin' ny alalan' ny Ochs-Sulzberger Family Trust nandritra ny taranaka dimy ity gazety ity hatramin' izao.
Efa tamin' ny nividianan' i Adolph Ochs an' ilay gazety tamin' ny taona 1896 ny teny filamatr' ilay gazety, izay aseho eo amin' ny zoro ambony havia amin' ny pejy voalohany, manao hoe, "All the News That's Fit to Print" ("Mendrika Hatonta Pirinty ny Vaovao Rehetra"). Izany dia manambara ny finiavany hiavaka amin' ny gazety mpivoaka isan' andro izay misehatra amin' ny "fanaovan-gazety mavo", toy ny New York World sy ny New York Journal.