Fiteny nibeazana
(tonga teto avy amin'ny Teny nibeazana)
Ny fiteny nibeazana, izay lazaina ihany koa hoe fiteny ibeazana, dia ny fiteny voalohany ianaran' ny ankizy. Amin' ny tranga sasany, rehefa samihafa ny fitenin' ny raiamandreny roa izay manabe ilay zaza, dia afaka mifehy ireo fiteny ireo miaraka ilay zaza. Ary azo lazaina fa fiteny nibeazany daholo ireo fiteny roa ireo. Noho ny fandikana amin' ny teny malagasy ny teny frantsay hoe langue maternelle na ny teny anglisy hoe mother tongue dia adika hoe fitenin-dreny na tenin-dreny koa ny fiteny nibeazana.